bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Numbers 35
Numbers 35
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 36 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany amin’ireo tany lemaka ngazana tany Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko, hoe:
2
Mandidia ny Zanak’Israely mba hanome tanàna ao amin’ny zarataniny avy honenan’ny levita*. Homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
3
Ireo tanàna ireo no ho fonenany; ary ny tany dia ho an’ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin’ny bibiny rehetra.
4
Ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny levita dia izao: Hatreo amin’ny mandan’ny tanàna ka hatrany amin’ny sisin’ny tany manodidina dia arivo hakiho*.
5
Handrefy roa arivo hakiho eo ivelan’ny tanàna ianareo amin’ny lafiny atsinanana. Roa arivo hakiho amin’ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin’ny lafiny andrefana, roa arivo hakiho amin’ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany. Izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
6
Ny tanàna homenareo ny levita dia tanàna fialofana, enina izay ho fandosiran’izay nahafaty olona, ary tanàna roa amby efapolo koa ambonin’ireo.
7
Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny levita dia valo amby efapolo mbamin’ny tany manodidina azy.
8
Ny amin’ny tanàna izay homenareo avy amin’ny zaratanin’ny Zanak’Israely dia izay be no hanalanareo be ary izay kely no hanalanareo kely. Samy hanome tanàna ho an’ny levita izy rehetra araka ny zarataniny avy.
9
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
10
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tafita an’i Jordana ianareo ka tonga any amin’ny tany Kanana
11
dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fialofana ho anareo mba handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy.
12
Ho fialofana ho anareo izany tanàna izany mba tsy ho azon’ny mpamaly ra ka tsy ho faty izay nahafaty olona, mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana.
13
Ireo tanàna homenareo dia tanàna enina ho fialofana ho anareo.
14
Tanàna telo no homenareo etỳ andafin’i Jordana ary tanàna telo no homenareo ao amin’ny tany Kanana; ho tanàna fialofana ireo.
15
Ireo tanàna enina ireo dia ho fialofana ho an’ny Zanak’Israely sy ny mpifindra monina ary izay vahiny mandalo eo anivony mba handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
16
Kanefa raha misy mamely olona amin’ny vy ka mahafaty azy dia mpamono olona izy; hovonoina ho faty izay namono olona.
17
Raha misy mamely olona amin’ny vato ka mahafaty azy dia mpamono olona izy; hovonoina ho faty izay namono olona.
18
Raha misy mamely olona amin’ny hazo ka mahafaty azy dia mpamono olona izy; hovonoina ho faty izay namono olona.
19
Ny mpamaly ra no hamono azy; rehefa mifanena aminy izy dia izy no hamono azy.
20
Raha misy manosika olona noho ny lolompo na mitoraka olona amin’ny fanotrehana ka mahafaty azy
21
na mamely olona amin’ny tanany noho ny fandrafiana ka mahafaty azy dia hovonoina ho faty ilay namely satria mpamono olona izy. Ny mpamaly ra no hamono azy rehefa mifanena aminy izy.
22
Fa raha misy nahatosika olona tsy nahy, fa tsy noho ny fandrafiana, na nahatoraka olona na amin’inona na amin’inona, nefa tsy tamin’ny fanotrehana,
23
na sendra nanjera vato nahafaty olona, nefa tsy hitany ilay olona fa nianjera taminy ilay vato ary tsy fahavalony ilay olona sady tsy nitady handratra azy izy,
24
dia hotsarain’ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly ra araka ireo lalàna ireo.
25
Hovonjen’ny fiangonana ho afaka amin’ny mpamaly ra ilay nahafaty olona ka hateriny indray ho ao amin’ny tanàna fialofana izay nalehany tamin’izy nandositra. Dia hitoetra ao izy mandra-pahafatin’ny Mpisoronabe* izay voahosotra tamin’ny diloilo masina.
26
Fa raha mivoaka ho eny ivelan’ny tanàna fialofana izay nalehany tamin’izy nandositra ilay nahafaty olona
27
ka hitan’ny mpamaly ra eny ivelan’ny tanàna dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-dra amin’izany
28
satria tokony hitoetra tao an-tanàna fialofana izy mandra-pahafatin’ny Mpisoronabe; fa rehefa maty ny Mpisoronabe dia mahazo mody any amin’ny zarataniny ihany ilay nahafaty olona.
29
Izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby any amin’izay rehetra onenanareo.
30
Raha misy vonoana olona dia hovonoina izay nahafaty rehefa noporofoin’ny vavolombelona maromaro; fa raha vavolombelona iray monja dia tsy ampy hanamelohana olona ho faty izany.
31
Ianareo dia tsy handray avotr’aina avy amin’izay namono olona, izay meloka ka tokony ho faty, fa hovonoina ho faty izy.
32
Ary ianareo dia tsy handray vola avotra avy amin’izay nandositra ho ao an-tanàna fialofany mba hodiany indray honina amin’ny taniny raha tsy mbola maty akory ny mpisorona.
33
Aza mandoto ny tany izay onenanareo, fa ny ra dia fandotoana ny tany; ary ny tany dia tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ny ra izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ny ran’izay nandatsaka azy ihany.
34
Aza lotoina ny tany onenanareo izay itoerako; fa Izaho TOMPO no mitoetra eo anivon’ny Zanak’Israely.
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36