bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Numbers 9
Numbers 9
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 10 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany amin’ny tany efitr’i Sinay tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona faharoa, taorianan’ny nialany avy tany amin’ny tany Ejipta hoe:
2
Aoka hotandreman’ny Zanak’Israely ny Paska amin’ny fotoanany.
3
Amin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo amin’ity volana ity no hitandremanareo azy amin’ny fotoanany; araka ny didy sy ny fanao rehetra amin’izany no hitandremanareo azy.
4
Koa niteny tamin’ny Zanak’Israely i Mosesy mba hitandrina ny Paska.
5
Dia nitandrina ny Paska tany amin’ny tany efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely.
6
Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Mosesy sy i Arona izy ireo tamin’io andro io
7
ka niteny taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay; koa nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ny Zanak’Israely hanolotra ny fanatitra ho an’NY TOMPO amin’ny fotoanany?
8
Dia hoy i Mosesy taminy: Mijoroa eo aloha fa hanontaniako izay handidian’NY TOMPO ny aminareo.
9
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
10
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ny taranakareo hatramin’ny fara aman-dimby, maloto tamim-paty, na nandeha lavitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO ihany koa izy.
11
Amin’ny harivan’ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana faharoa no hitandremany azy; ampombaina ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.
12
Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
13
Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny, satria tsy nanolotra ny fanomezana ho an’NY TOMPO tamin’ny fotoanany izy; ho meloka izany olona izany.
14
Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo ka mba te hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO dia araka ny didy sy ny fanao amin’ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na mpifindra monina, na tompon-tany.
15
Tamin’ny andro izay nananganana ny tabernakely* dia nanarona ny tabernakely na ny tranolain’ny Vavolombelona ny rahona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ny tabernakely tahaka ny afo izany mandra-paharain’ny andro.
16
Izany mandrakariva no niseho: Ny rahona dia nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo nony alina.
17
Rehefa niakatra niala tamin’ny tranolay ny rahona dia niainga ny Zanak’Israely ka teo amin’izay nijanonan’ny rahona no nitobiany.
18
Araka ny didin’NY TOMPO no niaingan’ny Zanak’Israely, ary araka ny didin’NY TOMPO koa no nitobiany; tamin’ny fotoana rehetra izay nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely no nitobiany.
19
Ary na dia nijanona andro maro teo ambonin’ny tabernakely aza ny rahona dia nitandrina izay nasain’NY TOMPO notandremana ny Zanak’Israely ka tsy niainga.
20
Indraindray dia andro vitsy ihany no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely ka araka ny didin’NY TOMPO ihany no nitobiany, ary araka ny didin’NY TOMPO koa no niaingany.
21
Indraindray dia nijanona hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izany nony maraina dia niainga ny Zanak’Israely. Koa na andro na alina no niakaran’ny rahona dia niainga izy ireo.
22
Na roa andro, na iray volana, na ela noho izany aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely, dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Israely fa tsy niainga; raha vao niakatra kosa ny rahona dia niainga izy.
23
Araka ny didin’NY TOMPO no nitobiany, ary araka ny didin’NY TOMPO no niaingany; nitandrina ny fanompoana NY TOMPO izy ireo, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36