bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Zechariah 11
Zechariah 11
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
1
Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô, handevonan’ny afo ny sederanao!
2
Midradradradrà, ry hazo kipreso, fa nianjera ny sedera! Eny, fongotra ireo avo be! Midradradradrà, ianareo oaka any Basana fa ripaka ny ala mikirindro!
3
Injany ny fidradradradran’ny mpiandry ondry fa rava ny voninahiny; Injany ny fieron’ny liona tanora fa rava ny kirihitrala eny amoron’i Jordana.
4
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitro: Andraso ny ondry izay entina hovonoina!
5
Ireo mpividy azy dia mamono azy, nefa tsy mahatsiaro-tena ho meloka akory izy amin’izany; ary ny mpivarotra azy dia miteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO fa manankarena aho! Ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy.
6
Fa tsy hiantra ny mponina amin’ny tany intsony Aho, hoy NY TOMPO. Fa indro, Izaho hanolotra ny olona samy ho eo an-tanan’ny namany avy ary samy ho eo an-tanan’ny mpanjakany avy; hanapotika ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka azy amin’ny tanany Aho.
7
Dia niandry ny ondry izay noentina hovonoina, izay avy tamin’ny mpivarotra, aho. Ary naka tehina roa aho, ny iray dia nataoko hoe Fahasoavana ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana. Dia nandrasako ny ondry.
8
Ary nandringana ny mpiandry ondry telo tamin’ny iray volana aho fa tsy nahatsindry fo taminy intsony sady tofoka ahy koa ireo.
9
Dia hoy aho: Tsy hiandry anareo intsony aho! Izay ho faty dia aoka ho faty ary izay ho ringana dia aoka ho ringana ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon’ny namany avy!
10
Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin’ny firenena rehetra.
11
Ary tapaka tamin’izany andro izany iny, koa fantatry ny mpivarotra izay niambina ahy fa tenin’NY TOMPO izany.
12
Dia hoy aho taminy: Raha sitrakareo dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany dia ajanòny. Dia nolanjainy ny karamako ka sekela volafotsy telopolo.
13
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Atsipazo any amin’ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekela volafotsy telopolo ka natsipiko tany amin’ny mpanefy tanimanga tao amin’ny tranon’NY TOMPO.
14
Dia notapahiko koa ilay tehiko Fikambanana mba hanafoanako ny firahalahian’i Joda sy Israely.
15
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Alao ho anao koa ny tehin’ny mpiandry ondry adala.
16
Fa indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hikarakara ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny maratra, na hiandry izay mbola matanjaka, fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.
17
Lozan’ny mpiandry ondry tsy mahomby, izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hamely ny sandriny sy ny masony havanana! Halazo tokoa ny sandriny ary ho pahina tokoa ny masony havanana!
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14