bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Zechariah 5
Zechariah 5
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 6 →
1
Dia natopiko indray ny masoko ka hitako fa indro, horonan-taratasy manidina iray.
2
Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy aho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roapolo hakiho* ny lavany, ary folo hakiho ny sakany.
3
Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin’ny tany rehetra; araka izany, izay rehetra mangalatra dia horoahina tsy ho eto; araka izany koa, izay rehetra manao fianianana tsy marina dia horoahina tsy ho eto.
4
Avelako handeha izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ao an-tranon’izay manao fianianana mandainga amin’ny anarako ary hitoetra ao amin’ny tranony ka handevona izany mbamin’ny hazo sy ny vato eo aminy.
5
Dia nandroso ilay anjely niresaka tamiko ka niteny tamiko hoe: Atopazy ny masonao ka jereo io zavatra miseho io.
6
Dia hoy aho: Inona moa io? Ary hoy izy: Io miseho io dia vata famarana. Hoy koa izy: Izao no hita any amin’ny tany rehetra.
7
Ary indro, nisy takelaka firaka boribory niainga ho azy ka nisy vehivavy iray nipetraka tao anatin’ilay vata famarana
8
Ary hoy izy: Io ny Faharatsiam-panahy. Dia natontany tao anatin’ny vata famarana ilay vehivavy ary natontany teo am-bavan’ny vata famarana ilay vongam-piraka.
9
Dia natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan’ny tany sy ny lanitra ilay vata famarana.
10
Dia hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran’ireto ny vata famarana?
11
Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin’ny tany Sinara, ary rehefa vita izany dia hapetraka eo amin’ny toerana fipetrahany izy.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14