bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Zechariah 8
Zechariah 8
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 9 →
1
Ary tonga ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe:
2
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Saro-piaro dia saro-piaro ny amin’i Ziona* Aho, eny, saro-piaro ny aminy, amin’ny fahatezerana mafy Aho.
3
Izao no lazain’NY TOMPO: Efa tafaverina eto Ziona Aho ka honina eto afovoan’i Jerosalema; ary i Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.
4
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mbola hisy lahiantitra sy vaviantitra hipetraka eny amin’ny kianja malalaka ao Jerosalema, samy hanana tehina eny an-tanany noho ny fahanterany;
5
ary ny kianja malalaka ao amin’ny tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny amin’ny kianja.
6
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mahagaga izany eo imason’ny sisa tavela amin’ity firenena ity amin’izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
7
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, mamonjy ny oloko avy any amin’ny tany atsinanana sy avy any amin’ny tany andrefana Aho;
8
hitondra azy Aho ka honina ao afovoan’i Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
9
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aoka hatanjaka ny tananareo, dia ianareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao, avy amin’ny vavan’ny mpaminany izay teo tamin’ny andro nanaovana ny fanorenan’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, mba hanorenana ny tempoly.
10
Fa talohan’izany andro izany dia tsy nisy valin-kasasarana ho an’ny olona, na valim-pahasasarana ho an’ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako hifamely amin’ny namany avy ny olona rehetra.
11
Fa amin’izao kosa dia tsy ho toy ny tamin’ny fahiny intsony amin’ny sisa amin’ity firenena ity Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
12
Fa hamafy amin’ny fiadanana ny olona: Ny voaloboka dia hamoa, ny tany dia hahavokatra, ny lanitra dia hampilatsaka ny andony ary ny sisa amin’ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.
13
Ary toy ny nahatonga anareo ho fanozonana tany amin’ny Jentilisa*, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Israely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo ka ho tonga fitahiana kosa ianareo. Aza matahotra fa mahereza ianareo!
14
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin’ny nampahatezeran’ny razanareo Ahy, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary tsy nanenina Aho,
15
dia ho toy izany kosa no niovako hevitra ka nisainako hanisy soa an’i Jerosalema sy ny taranak’i Joda amin’izao andro izao. Aza matahotra ianareo!
16
Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin’ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;
17
ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo ary aza tia fianianana mandainga; fa izany rehetra izany dia halako, hoy NY TOMPO.
18
Ary tonga tamiko ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe:
19
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny volana fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an’ny taranak’i Joda. Fa aoka ianareo ho tia ny fahamarinana sy ny fiadanana.
20
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin’ny tanàna maro ho tonga;
21
ary ny mponina ao amin’ny tanàna iray dia hankany amin’ny tanàna iray hafa ka hiteny hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’NY TOMPO sy hitady an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao! Izaho koa dia mba handeha!
22
Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, any Jerosalema sy hifona amin’NY TOMPO.
23
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samihafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy* iray ka hiteny hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa renay fa momba anareo Andriamanitra.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14