bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Zechariah 14
Zechariah 14
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
1
Indro, hisy Andron’NY TOMPO ho avy, koa ny babo aminao dia hozaraina ao ampovoanao.
2
Ary hangoniko ny Jentilisa* rehetra hamely an’i Jerosalema, dia ho azony ny tanàna ka horobaina ny trano ary hisy hanolana ny vehivavy; ny antsasaky ny tanàna dia ho lasan-ko babo, fa ny vahoaka sisa dia tsy hofongorana amin’ny tanàna.
3
Dia ho avy NY TOMPO ka hiady amin’ireny Jentilisa ireny, tahaka ny fameliny amin’ny andron’ny ady.
4
Amin’izany andro izany ny tongony dia hijoro eo amin’ny Tendrombohitra Oliva izay manatrika an’i Jerosalema eo atsinanana; ary ny Tendrombohitra Oliva dia hitresaka eo afovoany, hiantsinanana sy hiankandrefana ka hisy lohasaha lehibe; ary ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa dia hianatsimo.
5
Dia handositra hamaky ny lohasahan’ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela izany lohasahan’ny tendrombohitra izany; eny, handositra ianareo, tahaka ny nandosiranareo ny horohoron-tany tamin’ny andron’i Ozia mpanjakan’i Joda. Ary ho avy NY TOMPO Andriamanitro mbamin’ny masina rehetra momba Azy.
6
Ary amin’izany andro izany dia tsy hisy mazava, ary ireo mamirapiratra dia tsy hiseho intsony.
7
Ary hisy andro iray izay fantatry NY TOMPO, tsy andro na alina; nefa raha hariva ny andro dia hisy mazava.
8
Amin’izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, koa ny antsasany dia hankany amin’ny ranomasina atsinanana ary ny antsasany dia hankany amin’ny ranomasina andrefana; na amin’ny fahavaratra na amin’ny ririnina dia hisy izany.
9
Ary NY TOMPO dia ho Mpanjakan’ny tany rehetra; amin’izany andro izany NY TOMPO dia ho tokana, sady ho tokana ny anarany.
10
Ho tonga tahaka ny tany ngazana ny tany rehetra hatrany Geba ka hatrany Rimona ao atsimon’i Jerosalema. Fa i Jerosalema kosa dia hasandratra sy hijanona eo amin’ny toerany ihany, hatramin’ny vavahadin’i Benjamina ka hatramin’ny vavahady voalohany, hatramin’ny vavahady an-jorony ary hatramin’ny tilikambo fiambenana Hananela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
11
Dia hisy mponina any ary tsy hisy ozona intsony, fa Jerosalema dia handry fehizay.
12
Ary izao no areti-mandringana hamelezan’NY TOMPO ny firenena rehetra izay nanafika an’i Jerosalema: Hataony miha lò am-pitsanganana ny nofony ary hiha lò ao amin’ny lavaka fitoerany ny masony ary ny lelany koa hiha lò ao am-bavany.
13
Amin’izany andro izany NY TOMPO dia hahatonga fifanaritahana lehibe eo aminy, ary hifampihazona izy, sady samy hanainga tanana hifamely.
14
Ary ny Joda koa dia hiady any Jerosalema ary hovorina ny harenan’ny firenena manodidina rehetra, dia volamena sy volafotsy ary fitafiana betsaka.
15
Ary ny areti-mandringana dia hamely koa ny soavaly, ny ampondra, ny rameva ary ny boriky mbamin’ny biby fiompy rehetra izay ao amin’ireny toby ireny; izany areti-mandringana izany dia ho tahaka ilay iray koa.
16
Ary ny sisa rehetra amin’ny Jentilisa rehetra izay niakatra namely an’i Jerosalema dia hiakatra isan-taona isan-taona hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ka hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana amin’ny trano rantsan-kazo.
17
Ary na iza na iza amin’ny firenena samihafa amin’ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia tsy hisy ranonorana mirotsaka aminy.
18
Ary raha ny firenen’i Ejipta no tsy mba miakatra ka tsy tonga dia tsy hisy ranonorana hirotsaka aminy koa, sady ho tonga aminy ny areti-mandringana izay hamelezan’NY TOMPO ny firenena tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana amin’ny trano rantsan-kazo.
19
Izany no fampijaliana an’i Ejipta sy fampijaliana ny firenena rehetra izay tsy miakatra hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo.
20
Amin’izany andro izany dia hosoratana eo amin’ny lakolosy kely amin’ny soavaly hoe: «NOHAMASININA HO AN’NY TOMPO». Ary ny vilany ao amin’ny tranon’NY TOMPO dia ho tahaka ny lovia famafazana eo anoloan’ny alitara.
21
Eny, ny vilany rehetra any Jerosalema sy i Joda dia hohamasinina ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ary izay rehetra mamono zavatra hatao fanatitra dia ho avy haka amin’ireny ka hahandro izany. Amin’izany andro izany dia tsy hisy mpivarotra intsony ao amin’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14