bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Samuel 16
2 Samuel 16
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
1
Vao tafahoatra kely ny tampony i Davida dia inty i Sibà mpanompon’i Mifibôseta tonga nitsena azy, nitondra ampondra roa voaisy lasely, ka nibaby mofo roan-jato, ampempam-boaloboka maina zato, voankazo masaka zato, ary divay iray siny hoditra.
2
Dia hoy i Davida tamin’i Sibà: «Ny ampondra ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka, hitaingenany, ny mofo amam-boankazo hihinanan’ny zatovo, ary ny divay hisotroan’izay reraka any an’efitra.»
3
Dia hoy ny mpanjaka: «Fa aiza ny zanaky ny tomponareo?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Indro fa nijanona any Jerosalema izy», fa hoy izy: «Hampodin’ny taranak’i Israely amiko izao ny fanjakan’ikaky.»
4
Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Sibà: «Indro fa anao avokoa izay rehetra nananan’i Mifibôseta.» Dia hoy i Sibà: «Mihohoka amin’ny faladianao aho, ka aoka hahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko ô!»
5
Nony tonga tao Bahorima ny mpanjaka, indro nisy lehilahy anankiray, atao hoe Semeià zanak’i Gerà, iray fianakaviana tamin’ny ankohonan’i Saola, nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona,
6
ary nitora-bato an’i Davida mbamin’ny mpanompon’i Davida mpanjaka rehetra; ary ny vahoaka mbamin’ny lehilahy mahery kosa tamin’izay dia teo ankavanany sy teo ankaviany.
7
Izao no nentin’i Semeià nanozona azy: «Mandehana any, mandehana any, ry ilay mandatsa-dra, ry olon’i Beliala!
8
Indro natsingerin’i Iaveh aminao ny ran’ireo tamingan’i Saola rehetra izay nosoloanao toerana mba ho mpanjaka; natolony ho eo an-tanan’i Absalôma zanakao ny fanjakana ka indro fa hidiran-doza ianao izao, satria lehilahy mandatsa-dra ianao.»
9
Ka hoy i Abisaia zanak’i Sarvià tamin’ny mpanjaka: «Ahoana no anozonan’ilay alika maty io ny mpanjaka tompoko? Avelao kely aho handeha hanapaka ny lohan’io!»
10
Fa hoy ny navalin’ny mpanjaka: «Tsy manan-draharaha aminareo aho, ry zanak’i Sarvià! Aoka hanozona izy, satria fa raha i Iaveh no nanao taminy hoe: Ozony i Davida: zovy moa no hanao aminy hoe: Ahoana no anaovanao izany?»
11
Ary hoy i Davida tamin’i Abisaia sy ny mpanompony rehetra: «He, ny zanako naloaky ny kiboko aza ity mitady ny aiko; ka mainka fa io zana-Benjamina io! Avelao izy hanozona, fa didin’i Iaveh taminy izany.
12
Angamba hijery ny fahoriako i Iaveh ka soa no hataon’i Iaveh amiko ho valin’izao ozona androany izao.»
13
Ary i Davida sy ny olony nanohy ny diany, fa i Semeià kosa nandeha tamin’ny kisolosolon’ny tendrombohitra akaikin’i Davida sady tsy nitsahatra ny nanozona azy, sy nitora-bato ary namafy vovoka.
14
Sasatra ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra nanaraka azy, no tonga tao... ary niala sasatra teo izy.
15
Niditra tao Jerosalema i Absalôma sy ny vahoaka rehetra, ny lehilahy amin’i Israely, ary niaraka taminy koa i Akitôfela.
16
Nony tonga nanatona an’i Absalôma i Kosaia, ilay Arakita, dia hoy i Kosaia tamin’i Absalôma nanao hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
17
Fa hoy i Absalôma tamin’ny Kosaia: «Izao ve no firaiketanao amin’ny sakaizanao? Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamin’ny sakaizanao ianao?»
18
Ary hoy i Kosaia tamin’i Absalôma: «Tsia fa ilay nofidin’i Iaveh sy ny vahoaka rehetra, mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Israely no tiako hombana, ka dia ny hitoetra aminy no tiako.
19
Sady iza moa no hotompoiko? Moa tsy ny zanany va? Toy ny efa nanompoako an-drainao ihany no hanompoako anao koa.»
20
Ka hoy i Absalôma tamin’i Akitôfela: «Manaova fivoriana fakan-kevitra ianareo, ny amin’izay tokony hataontsika.»
21
Dia hoy i Akitôfela tamin’i Absalôma: «Mandehana amin’ny vaditsindrano navelan-drainao hiandry trano, dia ho hitan’i Israely rehetra amin’izany fa manao izay hahatafintohina an-drainao aminao ianao, ka dia hihamahery ny tanan’izay rehetra momba anao.»
22
Dia nanangan-day teo ambonin’ny tafon-trano i Absalôma ka nandeha tamin’ny vaditsindranon-drainy, teo imason’i Israely rehetra, i Absalôma.
23
Toy ny teny avy amin’Andriamanitra ho an’izay manontany Azy, ny hevitra nomen’i Akitôfela tamin’izay, ary ny hevitra nomeny rehetra na tamin’i Davida, na tamin’i Absalôma dia toy izany koa.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24