bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Samuel 4
2 Samuel 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
1
Nony ren’ny zanaka lahin’i Saola fa hoe maty i Abnera, tao Hebrôna, dia niraviravy tanana izy ary kivy ratsy i Israely rehetra.
2
Roa no lehiben’ny antokon’olon’ny zanaka lahin’i Saola, dia i Baanà ny anankiray, ary i Rekaba ny anankiray, samy zanak’i Remôna avy ao Berôta amin’ny taranak’i Benjamina. Fa natao isan’i Benjamina koa i Berôta,
3
ary ny Berôtita dia nandositra nankany Getaima, ka mbola monina any mandrak’androany.
4
I Jônatasy zanak’i Saola, dia nanan-janaka malemy tongo-droa. Dimy taona io zaza io, no tonga avy any Jezraela, ny filazana ny amin’i Saola sy i Jônatasy hoe maty, ka nentin’ny mpitaiza azy nandositra izy; noho ny firotorotoan’izy io loatra teny am-pandosirana anefa dia potraka ny zaza ka nalemy tongotra. Mifibôseta no anarany
5
Ary tonga i Rekaba sy i Baanà zanak’i Remôna avy any Berôta, ka nony tamin’ilay andro nigaingaina iny indrindra, dia niditra tao an-tranon’i Isbôseta izay nandrinandry niala sasatra tamin’ny misasaka andro.
6
Nony niroso hatreo afovoan-trano haka vary izy ireo, dia nasiany tamin’ny kibony izy. Ary i Rekaba sy i Baanà rahalahiny dia nitsoriaka an-tsokosoko.
7
Ilay nandry teo am-parafarany, tao an’efitra fandriany iny i Isbôseta, no niditra tao an-trano izy ireo, dia novonoiny ho faty izy, ka notapahiny ny lohany, dia nentiny, ary nandeha mandritra ny alina manontolo izy, namaky ny Tany lemaka.
8
Nentiny tany amin’i Davida tany Hebrôna ny lohan’i Isbôseta, dia hoy izy tamin’ny mpanjaka: «Indro ny lohan’i Isbôseta zanak’i Saola, fahavalonao, izay nitady ny ainao. Namalian’i Iaveh faty an’i Saola sy ny taranany androany ny mpanjaka tompoko.».
9
Ary hoy ny navalin’i Davida tamin’i Rekaba sy i Baanà rahalahiny, zana-dRemôna, avy any Berôta: «Velona i Iaveh, izay nanafaka ahy tamin’ny loza rehetra!
10
Ny olona tonga tao amiko hilaza ny vaovao hoe indro fa maty i Saola, ary nihevitra fa nitondra zava-baovao tsara, nefa nasaiko nosamborina sy novonoina ho faty tany Sikelega ho valin’ny vaovao tsara nentiny,
11
ka mainka raha olona ratsy fanahy no namono olona tsy manan-tsiny, any an-tranony, eo am-pandriany, tsy maintsy hitaky eo amin’ny tananareo ny rany aho sy hamongotra anareo amin’ny tany!»
12
Dia nandidy ny zatovo hamono azy ireo i Davida; ary notapahin’izy ireo ny tongony aman-tanany, ka nahantony teo amoron’ny farihy any Hebrôna. Raha efa izany dia nalainy ny lohan’i Isbôseta sy naleviny tao amin’ny fasan’i Abnera ao Hebrôna.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24