bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Samuel 5
2 Samuel 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 6 →
1
Ary tonga amin’i Davida tany Hebrôna ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe: «Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao ihany izahay.
2
Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary i Iaveh nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andriamanitr’i Israely.»
3
Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany, teo anatrehan’i Iaveh, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.
4
Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka, ary efapolo taona no andro nanjakany.
5
Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana, ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra 33 taona.
6
Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema, hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany. Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe: «Tsy ho tafiditra atỳ ianao, fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.» Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida.
7
Kanjo afak’i Davida ny toerana mimanda tao Siôna: ny tanànan’i Davida izany.
8
Ary hoy i Davida tamin’izany andro izany: «Na iza na iza hamely ny Jeboseanina, ka hihazo amin’ny lalan-drano...Fa ny mandringa sy ny jamba koa dia mankahala ny ain’i Davida.» Izany no niavian’ilay fitenenana hoe: tsy ho tafiditra an-trano ny jamba sy ny mandringa.
9
Dia niorim-ponenana teo amin’ny toerana mimanda i Davida, ka nataony hoe: Tanànan’i Davida izany. Ary nanorina trano tamin’ny manodidina i Davida hatrany Melaô, mbamin’ny ao anatiny koa.
10
Nandroso niha-ambony hatrany hatrany i Davida, ary nomba azy i Iaveh Andriamanitry ny tafika.
11
Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.
12
Dia fantatr’i Davida fa naraikitr’i Iaveh ho mpanjakan’i Israely izy, ary ny fanjakany koa nasandrany, noho i Israely vahoakany.
13
Naka vaditsindrano sy vady koa i Davida, tany Jerosalema, nony tonga avy any Hebrôna izy, ka niteraka zazalahy aman-jazavavy indray i Davida.
14
Ireto no anaran’ireo naterany tany Jerosalema:
15
Samoà, Sôbaba, Natàna, Salômôna, Jebahara,
16
Elisoa, Nefega, Jafia, Elisamà, Eliodà, ary Elifaleta.
17
Ren’ny Filistinina fa hoe nohosorana ho mpanjakan’i Israely i Davida ka niakatra nitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida, ka nidina nankao amin’ny toerana mimanda.
18
Nony tonga ny Filistinina dia nihahaka teny amin’ny lohasahan’i Refaima.
19
Ka nanontany an’i Iaveh i Davida, nanao hoe: «Hiakatra hamely ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy?» Ary hoy i Iaveh tamin’i Davida: «Miakara fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistinina.»
20
Dia nankany Baala-Farasima i Davida ka namely azy tao i Davida, ary hoy izy: «Novakin’i Iaveh teo anoloako toy ny amakian’ny rano ny fefiloha, ny fahavaloko.» Izany no nanaovana an’io toerana io hoe: Baala-Farasima.
21
Navelan’izy ireo tao ny sampiny, ka nentin’i Davida sy ny olony.
22
Niakatra indray ny Filistinina, ka nihahaka teo amin’ny lohasahan’i Refaima.
23
Ka nanontany an’i Iaveh i Davida, sy novaliany hoe: «Aza miakatra fa hodidino avy any aoriana izy dia hirotsaka aminy, avy arỳ amin’ny balsamie, ianao,
24
ka nony injay mahare fingodongodonan’olona any an-tendron’ny balsamie ianao dia mameleza faingana, fa amin’izay i Iaveh no hivoaka eo alohanao hamely ny tafiky ny Filistinina.»
25
Dia nanao araka izany i Davida, araka ny nandidian’i Iaveh azy, ka nandresy ny Filistinina hatrany Gabea ka hatrany Gazera.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24