bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Samuel 8
2 Samuel 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 9 →
1
Taorian’izany dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampietry azy ireo, sy nanesotra ny fitondrana ny renivohitr’izy ireo teo an-tanany.
2
Nandresy ny Moabita koa izy, ary nampandriny tamin’ny tany ireo, dia norefesiny tamin’ny kofehy, ka nandrefy indroan’ny kofehy izy, novonoiny ny eran’ny kofehy, novelominy ny eran’ny kofehy. Dia tonga mpanompon’i Davida ny Moabita, ka nanatitra hetra ho azy.
3
Teny an-dalana, fony izy ndeha hampody ny fanjakany eo amoron’ny ony Eofrata, dia resin’i Davida koa i Hadadezera zana-dRohoba, mpanjakan’i Sobà.
4
Ary miaramila an-tsoavaly 1.700, miaramila an-tongotra roa alina, no nosamborin’i Davida taminy; ny soavalin-kalesy notraingoin’i Davida avokoa, fa ny mpitarika kalesy zato sisa no notanany.
5
Tonga namonjy an’i Hadadezera mpanjakan’i Sobà koa ny Sirianina avy any Damasa, ka noresen’i Davida ny roa alina tamin’ny Sirianina.
6
Nametrahan’i Davida miaramila mponina i Sirian’i Damasa, ka tonga mpanompon’i Davida nanatitra hetra ny Sirianina. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.
7
Nalain’i Davida ny ampinga volamena tao amin’ny mpanompon’i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema;
8
varahina be dia be koa no azon’i Davida mpanjaka, tao Bete sy i Berôta, tanànan’i Hadadezera.
9
Nony ren’i Taohò mpanjakan’i Hamata, fa hoe resin’i Davida avokoa ny miaramilan’i Hadadezera,
10
dia nirahin’i Taohò ho any amin’i Davida mpanjaka, i Jôrama zanany, hamangy sy hiarahaba azy, noho ny niadiany sy nandreseny an’i Hadadezera, fa niady lava tamin’i Hadadezera i Taohò. Kapoaka volamena sy kapoaka volafotsy ary kapoaka varahina no teo an-tanan’i Jôrama.
11
Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh koa izany, toraky ny nanokanany ny volafotsy sy volamena azony tamin’ny firenena rehetra nohitsahin’ny tongony,
12
dia i Siria, i Moaba, ny taranak’i Amôna, ny Filistinina, i Amaleka; ary ny avy tamin’ny babo azony tamin’i Hadadezera zanak’i Rohoba, mpanjakan’i Sobà.
13
Nahazo laza i Davida fony izy niverina avy nandresy ny Sirianina 18.000, teo amin’ny Lohasahan-tSira.
14
Nametrahany miaramila mponina tao Edôma, nametrahany miaramila avokoa i Edôma tontolo, ka dia mpanompon’i Davida avokoa i Edôma rehetra. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena, tany amin’izay rehetra nalehany.
15
Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida, ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.
16
I Jôaba, zanak’i Sarvià, no nifehy ny miaramila; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana;
17
I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
18
i Baniasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ny zanak’i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24