bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Samuel 20
2 Samuel 20
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
1
Nisy olon’i Beliala anankiray kosa teo, atao hoe Sebà zanak’i Bokrì, Benjaminita, ka nitsoka anjomara io dia nanao hoe: «Tsy manana anjara amin’i Davida isika, tsy manana lova miaraka amin’ny zanak’i Jese, ka samia mody any an-dainy avy, ry Israely ô!»
2
Dia nandao an’i Davida avokoa ny lehilahy amin’i Israely, ka nanaraka an’i Sebà zanak’i Bokrì. Fa ny lehilahy amin’i Jodà ihany no nifikitra tamin’ny mpanjaka, hatrany Jordany ka hatrany Jerosalema.
3
Nody tao an-tranony tao Jerosalema i Davida ary nalain’ny mpanjaka ny vaditsindranony folo, izay napetrany hiandry trano, ka nataony teo amin’ny trano anankiray nasiana fiambenana. Niantohany ny fiveloman’ireo, nefa tsy nandeha taminy intsony izy, ka voahiboka mandra-pahafaty izy ireo, dia nitoetra nanano-tena.
4
Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Amasà: «Vorio ho eto amiko ny lehilahy amin’i Jodà, hatramin’ny hateloana, ary aoka ho eto koa ny tenanao.»
5
Dia niainga i Amasà hamory an’i Jodà nefa tratra aorian’ny fotoana nomen’ny mpanjaka azy izy.
6
Ka hoy i Davida tamin’i Abisaia: «I Sebà zanak’i Bokrì izao no hampidi-doza amintsika, mihoatra noho i Absalôma. Koa ento ny mpanompon’ny tomponao, dia enjeho iny, fandrao dia mahazo tanàna mimanda eo ihany izy, ka tsy ho hitan’ny masontsika intsony.»
7
Nanaraka an’i Abisaia dia niainga koa ny olon’ny Jôaba, ny Keretianina sy ny Feletianina ary ny lehilahy mahery rehetra nivoaka teo Jerosalema hanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì.
8
Nony mby teo akaikin’ilay vato lehibe ao Gabaôna izy ireo, dia inty i Amasà tonga teo anoloan’izy ireo. Niakanjo ny akanjo tonîka i Jôaba ary eo ambonin’ny tonîka dia nisy sabatra anankiray anaty tranony, nifehy teo am-balahany. Nony nandroso izy dia latsaka ilay sabatra.
9
Ary hoy i Jôaba tamin’i Amasà: «Tsara ihany va izato ianao, ry rahalahy?» sady noraisin’i Jôaba amin’ny tanany havanana, ny somotr’i Amasà hanoroka azy.
10
Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tanan’i Jôaba i Amasà, kanjo nasiany tamin’ny kibony izy, ka nampivaroraka ny tsinainy tamin’ny tany; tsy nasiany fanindroany akory izy dia maty. Dia rafitra nanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì i Jôaba sy i Abisaia rahalahiny.
11
Fa ny anankiray tamin’ny zatovon’i Jôaba nijanona teo anilan’i Amasà, ka nanao hoe: «Izay mankasitraka an’i Jôaba izay miandany amin’i Davida, dia aoka hanaraka an’i Jôaba!»
12
I Amasà izany nihosinkosina tamin’ny rany teo afovoan’ny lalana teo. Nony hitan-dralehilahy fa nijanona ny olon-drehetra dia nesoriny teo an-dalambe i Amasà nataony tany an-tsaha, sady nosaronany kapaoty, satria hitany fa izay tonga teo anilany nijanona avokoa.
13
Ka nony voaala teo an-dalambe izy, vao samy nizotra nanaraka an’i Jôaba ny olona rehetra, hanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì.
14
Namakivaky ny fokon’i Israely rehetra i Jôaba, hatrany HaBela sy i Bety-Maakà, ary nivory nanaraka azy avokoa ny lehilahy voafantina rehetra.
15
Dia tonga izy ireo ka nanao fahirano an’i Sebà tao Abela-Bety-Maakà. Nanandratra tovon-tany hamely ny tanàna izy ka nahatratra ny manda izany, ka samy niezaka hanjera ny manda ny vahoaka rehetra nomba an’i Jôaba.
16
Tamin’izay nisy vehivavy hendry anankiray niantso avy ao an-tanàna hoe: «Mihainoa, mba mihainoa kely é! Ilazao kely i Jôaba ataovy hoe: Manatòna eto, fa te hiresaka aminao aho!»
17
Dia nanatona azy izy, ka hoy ravehivavy «Ianao va no Jôaba?» Ary hoy ny navaliny azy: «Izaho no izy.» Dia hoy ravehivavy taminy: «Henoy kely ny tenin’ny mpanompovavinao.» Ka hoy ny navaliny: «Mihaino aho.»
18
Dia hoy ravehivavy: «Fitenin’ny olona taloha ny hoe: Milà saina ao Abela, dia voalamina avokoa ny raharaha.
19
Izaho dia anankiray amin’ny tanàna tia fihavanana sy mahatoky eto amin’i Israely. Fa ianao kosa mitady handrava tanàna izay reny amin’i Israely. Ka ahoana ange no handravanao ny lovan’i Iaveh?»
20
Fa hoy kosa i Jôaba: «Lavitra ahy, lavitra dia lavitra ahy izany. Tsy handrava tsy handringana no hevitro! Tsy izany velively.
21
Fa misy lehilahy anankiray atao hoe Sebà, zanak’i Bokrì, avy amin’ny tendrombohitra Efraîma nanainga tanana hikomy amin’i Davida; ka io ihany no atolory ahy, dia hiala amin’ny tanàna aho.» Ary hoy ravehivavy tamin’i Jôaba: «Indro hatsipy aminao hihoatra ny manda ny lohany.»
22
Dia nanatona ny vahoaka rehetra ravehivavy sy niteny taminy tamim-pahendrena, ka notapahin’izy ireo ny lohan’i Sebà, zanak’i Bokrì, natsipiny tany amin’i Jôaba. Ary nasain’i Jôaba notsofina kosa ny anjomara, ka ny olona rehetra moa niala tamin’ny tanàna, samy nody any aminy avy; i Jôaba kosa niverina nankany Jerosalema ho any amin’ny mpanjaka.
23
I Jôaba no komandin’ny tafika tamin’i Israely rehetra; i Banaiasa zanak’i Jôiadà no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina,
24
i Adôrama no mpandamina momba ny fanompoana; i Jôsafata zanak’i Ahiloda no mpitahiry ny bokim-panjakana;
25
i Sivà no mpanoratra; i Sadôka sy i Abiatara no mpisorona,
26
ary i Irà ilay Jairita no mpanolo-tsaina manolotra an’i Davida.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24