bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ecclesiastes 10
Ecclesiastes 10
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 11 →
1
Fatin-dalitra mahamaimbo sy manimba ny diloilon’ny mpanao zava-manitra; tahaka izany koa ny fahadalana kely mahaleo ny fahendrena amam-boninahitra.
2
Ny fon’ny hendry eo ankavanany; ny fon’ny adala kosa eo ankaviany.
3
Ary koa raha mandeha any an-dalana ny adala, dia very hevitra izy, ka maneho ny hadalany amin’ny olona rehetra.
4
Raha misondrotra tezitra aminao ny fon’ny mpanapaka, aza miala eo amin’ny fitoeranao, fa ny fahatsindriam-po mahasakana hadisoana be vava.
5
Misy ratsy efa hitako atỳ ambany masoandro, tahaka ny hadisoana avy amin’ny mpanjaka izany:
6
Ny fahadalana mitana raharaha ambony, ary misy mpanan-karena, mipetraka amin’ny toetra ambany.
7
Misy mpanompo hitako mitaingin-tsoavaly, ary andriandahy kosa nandeha tongotra toa mpanompo.
8
Izay mihady lavaka mety ho latsaka ao, ary izay mandrava rafi-bato mety hokaikerin’ny menarana.
9
Izay manenda-bato, mety haratran’izany; ary ny mamaky hazo mety ho voany.
10
Raha dombo ny antsy ka tsy asaina ny lelany, dia tsy maintsy manao an’aina ny mpikapa; fa ny fahendrena no metimety kokoa hahombiazana.
11
Raha manaikitra ny bibilava fa tsy natao izay hampahasondriana azy, dia tsy misy tombon-tsoa ho an’ny mpampahasondriana.
12
Mahafinaritra erỳ ny teny aloaky ny vavan’ny hendry; mihinana ny tenany kosa ny molotry ny adala.
13
Ny fiandohan’ny teny avy amin’ny vavany, fahadalana; ary fiafaran’ny lahateniny koa, fahaverezan-tsaina misafoaka.
14
Mampitombo ny teny ho maro, ny adala!... Tsy fantatry ny olona izay ho avy; ary iza no hilaza aminy izay ho avy any aoriany?
15
Ny asan’ny adala mandreraka azy; fa ny mankany an-tanàna avy no tsy fantany.
16
Loza ho anao, ry tany izay manana zaza ho mpanjaka, ary ny mpifehy homana hatry ny vao maraina!
17
Sambatra ianao, ry tany, izay manana zanak’andriana ho mpanjaka, ary ny mpifehy homana amin’ny fotoanany mety, mba hanohana ny ainy fa tsy hiarana amin’ny fisotro.
18
Raha kamo ny tanana, miletsy ny lohatrano; ary raha miborera ny tanana, mitete ny trano.
19
Misakafo ny olona hiaranana amin’ny fahafinaretana; ny divay maharavoravo ny fiainana, ary ny vola, ahazoana ny zavatra rehetra.
20
Aza manozona ny mpanjaka, na ao an-tsainao aza; aza manozona ny manam-pahefana, na eo an’efitrano fandrianao aza; fa ny voromanidina hitondra ny feonao; ary ny biby manana elatra hanely ny teninao.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Recommended Reading
Commentary
Ecclesiastes Commentaries
→
Devotional
Ecclesiastes Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→