bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ecclesiastes 12
Ecclesiastes 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
1
Tsarovy ny Mpahary anao, amin’ny andron’ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro ratsy ary tsy mbola akaiky ny taona hanaovanao hoe: - Tsy sitrako izao.
2
Dieny mbola tsy maizina ny masoandro, sy ny fahazavana ary ny volana aman-kintana, ary mbola tsy mitambatra indray ny rahona aorian’ny orana,
3
amin’ny andro angovitan’ny mpiandry trano, ikainkonan’ny lehilahy matanjaka, iatoan’ny ankizy vavy mitoto, fa mihavitsy isa; ihamaizinan’ireo mitazana eo am-baravarankely,
4
ikatonan’ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, naha mihamalemy ny feon’ny vato fikosoham-bary, izay itsanganan’ny olona mandre ny feon’ny voronkely, sy ahalasanan’ny ankizy vavy mpihira rehetra,
5
amin’izay atahoran’ny olona ny eny amin’ny fitoerana avo, izay ivadihan’ny olona fo eny an-dalambe, amin’izay amonian’ny amandie, sy ahatongavan’ny valala ho mavesatra, ary tsy hisy asany intsony ny kapra, fa miainga ho any amin’ny fonenany mandrakizay ny olona, ary mitety ny arabe ny mpitomany;
6
Dieny mbola tsy tapaka ny kofehy volafotsy, mbola tsy vaky ny tamaboa volamena, mbola tsy vaky ny siny eo an-doharano, mbola tsy tapaka ny bolaky ka latsaka eo an-davaka famorian-drano;
7
dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.
8
Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana ny zavatra rehetra.
9
Afa-tsy ny maha olon-kendry ny Mpitory teny, dia nampianatra ny fahaizana ny vahoaka koa izy; nandinika sy nandanjalanja izy, ary nandahatra oha-teny maro.
10
Nikely aina ny Mpitory teny hahita fomba fiteny mahafinaritra, sy hanoratra tenim-pahamarinana araka ny hitsiny.
11
Ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronana omby; ny boky nanangonana azy toy ny fantsika voahombo; atolotry ny Mpiandry iray monja ireo teny ireo.
12
Ary raha teny mihoatra noho izao kosa, anaka, aoka ho efa voaanatra ianao. Fa ny manampy manampy boky ihany, tsy hisy farany; ary ny fianarana be koa, fanasaran-tena.
13
Famaranana ny lahateny, rehefa heno avokoa izy rehetra: Matahora an’Andriamanitra ary mitandrema ny didiny, fa izany tokana no izy amin’ny olombelona;
14
satria holazain’Andriamanitra amin’ny fitsarana avokoa, ny zava-miafina rehetra, mbamin’ny asa rehetra, na tsara na ratsy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Recommended Reading
Commentary
Ecclesiastes Commentaries
→
Devotional
Ecclesiastes Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→