bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ecclesiastes 3
Ecclesiastes 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 4 →
1
Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro:
2
fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.
3
Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana.
4
Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.
5
Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy; fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana fifamihinana.
6
Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana, fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana.
7
Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana; fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana.
8
Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana; fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.
9
Inona no soa an’izay miasa, amin’ny hasasarana iaretany?
10
Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra isasaran’ny zanak’olombelona;
11
Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny.
12
Ary hitako fa tsy misy soa ho azy ireo, mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany:
13
ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany.
14
Fantatro fa haharitra mandrakizay, izay ataon’Andriamanitra, tsy misy tokony hanampiana an’izany na analana amin’izany. Ka ny hahatahoran’ny olona azy, no nanaovan’Andriamanitra an’izany.
15
Ny atao izao dia efa nisy sahady, ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady; fa averin’Andriamanitra ny efa lasa.
16
Izao koa no hitako, tatỳ ambany masoandro: Ny fiketraham-pitsarana araka ny rariny, dia ipetrahan’ny faharatsiana, ary ho solon’ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana.
17
Hoy aho anakampo: Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy, fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
18
Hoy aho anakampoko: Ny amin’ny zanak’olombelona: Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo,
19
Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.
20
Fitoerana iray, no alehan’ny zavatra rehetra: vovoka no niavian’ny zava-drehetra; ary vovoka no hiverenan’ny zava-drehetra.
21
Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelona miakatra any ambony, ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany?
22
Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12