bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ecclesiastes 5
Ecclesiastes 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 6 →
1
Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, Ianao etỳ an-tany; ka aoka ho vitsy teny ianao.
2
Fa ny hamaroan-draharaha, miteraka nofy; ary ny hamaroan-teny, mampisy rediredin’adala.
3
Raha manao voady amin’Andriamanitra ianao, aza ela fanefa izany, fa tsy misy hasoavana homena ny adala: koa efao ny voady ataonao.
4
Tsara kokoa ho anao ny tsy mivoady, toy izay mivoady tsy mahefa.
5
Aza avela hampanota ny nofonao, ny vavanao; ary aza milaza eo anatrehan’ny irak’Andriamanitra hoe: zavatra tsy nahy izany: fa nahoana moa Andriamanitra no ho tezitra ny amin’ny teninao, ka handrava ny asan’ny tananao?
6
Fa toy ny isian’ny zava-poana amin’ny hamaroan-draharaha, no isian’izany koa, amin’ny teny maro; ka matahora an’Andriamanitra.
7
Raha misy tany hahitanao fampahoriana ny mahantra, fanitsakitsahana ny rariny amam-pahamarinana: aza sanganehana foana amin’izany, fa ny olona ambony tandreman’ny ambony kokoa, ary mbola misy ambony kokoa indray aza mitandrina azy ireo.
8
Tena soa kokoa ho an’ny tany, raha dinihina tsara, ny hananany mpanjaka mikarakara ny fambolena.
9
Izay tia vola tsy mety vokim-bola; ary izay tia harena, tsy hanandrana ny vokatr’izany. Zava-poana koa izany.
10
Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy, ary inona moa no soa azon’ny tompony amin’izany, afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny?
11
Mamy ny torimason’ny mpiasa, na kely na be no hanin-kohaniny; fa tsy ahitan’ny mpanankarena tory kosa ny fahavokisany.
12
Misy loza makadiry hitako tatỳ ambany masoandro, dia harena tahirizin’ny tompony, ka mampidi-doza ny tenany,
13
Fa sendra misy zava-mihatra ka levona izany harena izany; ary raha mitera-dahy ralehilahy, dia tsy manana na inona na inona eo an-tanany.
14
Ny toetra nivoahany avy ao an-kibon-dreniny no hiverenany ao, dia mitanjaka toy ny niaviany avy ao ihany; fa tsy hahazo na inona na inona avy amin’ny asany, ho azony entina eny an-tanany.
15
Fahoriana lehibe koa izao, dia ny hahalasanany toy ny niaviany: ka inona no soa azony, tamin’ny nisasarany ho an’ny rivotra?
16
Fanampin’izany, nandritra ny andro rehetra niainany, nihina-maizina izy sady be alahelo amam-pijaliana sy fahasosorana.
17
Ka izao no hitako: Tsara sy mety ho an’ny olona ny mihinana sy misotro, ary ny mahazo miadana amin’ny asa rehetra ataony, izay imasoany atỳ ambany masoandro, mandritra ny andro iainany, omen’Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.
18
Fanampin’izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin’Andriamanitra hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin’izany ary mifaly amin’ny asany: dia fanomezan’Andriamanitra izany.
19
Fa tsy eritreretiny loatra amin’izay ny andro iainany, satria efa rotsahan’Andriamanitra fifaliana ny fony.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12