bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Ecclesiastes 11
Ecclesiastes 11
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 12 →
1
Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa mbola any ny andro hahitanao azy indray.
2
Omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatra izay loza mety hanjò eto ambonin’ny tany.
3
Rehefa feno orana ny rahona, dia alatsany amin’ny tany izany; ary raha mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia izay ianjerany ihany no itoerany koa.
4
Izay fatra-pandinika ny rivotra tsy mba hamafy, ary izay fatra-panadihady ny rahona tsy mba hijinja.
5
Toy ny tsy ahalalanao ny lalan’ny rivotra sy ny fomba fiforonan’ny taolana ao am-bohoka, no tsy ahalalanao ny asan’Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra.
6
Vao maraina dia afafazo ny voanao, ary ny hariva koa aza avela hitsahatra ny tananao, fa tsy fantatra izay ho vanona na ity na irỳ, na samy ho vanona aza izy roa tonta.
7
Mamy ny fahazavana, ary mahafinaritra ny maso ny mahita ny mason’andro.
8
Na maro toy inona aza ny taona iainan’ny olona, aoka hifaly izy amin’izany taona rehetra izany ary aoka hoheveriny ny andro maizina, fa ho maro izy ireny: izay mahazo rehetra dia zava-poana avokoa.
9
Ry zatovo, mifalia dieny mbola tanora ianao; aoka hahazo firavoravoana amin’ny fonao ianao amin’ny andron’ny fahatanoranao! Mandehana any amin’izay lalan’ny fonao, sy araka izay fijerin’ny masonao. Fantaro anefa fa izany rehetra izany dia hiantsoan’Andriamanitra anao hotsaraina.
10
Esory ao am-ponao ny alahelo, ary halaviro ny vatanao ny ratsy, samy zava-poana ny hatanorana amam-pahamaitsovolo.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
Recommended Reading
Commentary
Ecclesiastes Commentaries
→
Devotional
Ecclesiastes Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→