bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Leviticus 1
Leviticus 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 2 →
1
Ary i Iaveh niantso an’i Môizy ka niteny taminy tao an-trano lay fihaonana, nanao hoe:
2
Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo hanao fanatitra amin’i Iaveh dia biby fiompy no ataovy, na ny vaventy na ny madinika.
3
Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.
4
Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona dorana izy, dia horaisina izany mba ho soa ho azy, mba hanaovana fanonerana ho azy.
5
Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.
6
Endahana ny sorona dorana dia raisina ho didiny.
7
Ary hanisy afo eo ambony ôtely ny zanak’i Aarôna mpisorona sy hanohoka kitay hazo eo ambonin’ny afo;
8
izay vao halahatry ny mpisorona zanak’i Aarôna eo ambonin’ny kitay hazo, eo amin’ny afo, ny didin-kena mbamin’ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra.
9
Sasana amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran’ny mpisorona hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
10
Raha biby madinika no ataony fanatitra, zanak’ondry na osy hatao sorona dorana, dia izay lahy tsy misy kilema no hateriny,
11
dia hovonoiny izy io eo amin’ny lafiny avaratry ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny mpisorona zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo ambonin’ny ôtely.
12
Horasaina araka ny didiny izy, mbamin’ny lohany sy ny momba ny atiny rehetra, dia halahatry ny mpisorona eo ambony kitay hazo voatohoka eo amin’ny afon’ny ôtely.
13
Hosasany amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray hatolotry ny mpisorona sy hodorany hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
14
Raha vorona hatao sorona dorana no ateriny amin’i Iaveh, dia domohina na vanto-boromahailala no hateriny.
15
Hoentin’ny mpisorona eo amin’ny ôtely ny vorona, ka hofolahiny amin’ny hohony ny lohany, dia hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely, ary hofiazany amin’ny rindrin’ny ôtely ny rany.
16
Hoesoriny ny takorobabony mbamin’izay rehetra maloto eo aminy, dia hariana eo akaikin’ny ôtely amin’ny atsinanany, eo amin’ny fitoeran-davenona.
17
Izay vao hosamahiny amin’ny elany ny vorona, tsy hatao hentitra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny kitay hazo voatohoka amin’ny afo. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27