bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Leviticus 3
Leviticus 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 4 →
1
«Raha misy olona manatitra sorom-pihavanana ka biby vaventy, lahy na vavy, no ateriny, dia izay tsy misy kilema no hateriny eo anatrehan’i Iaveh.
2
Hametra-tanana eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy, sy hamono azy eo am-baravaran’ny trano lay fihaonana; ary ny mpisorona, zanak’i Aarôna, handraraka ny ra manodidina ny ôtely.
3
Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,
4
ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahany ao akaikin’ny voany.
5
Hodoran’ny zanak’i Aarôna izany hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin’ny afo. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»
6
«Raha biby madinika, lahy na vavy, no aterina ho sorom-pihavanana amin’i Iaveh, dia izay tsy misy kilema no aterina.»
7
«Raha zanak’ondry no ateriny ho sorona, dia hatolony eo anatrehan’i Iaveh.
8
Hametra-tanana eo ambony lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina ao amin’ny ôtely.
9
Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io dia ny saborany, ny hofany manontolo faranana hatreo amin’ny hazon-damosiny, ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miraikitra amin’ny tsinainy;
10
ny voany roa mbamin’ny fonom-boany, izay miraikitra amin’ny faritry ny voany; ny saron’atiny izay hoendahany eo akaikin’ny voany.
11
Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»
12
«Raha osy vavy ny fanatiny, dia hatolony eo anatrehan’i Iaveh.
13
Hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’ny sorona izy sy hamono azy eo anoloan’ny trano lay fihaonana, ary ny zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo amin’ny ôtely.
14
Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, amin’ny sorona, dia ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miray amin’ny tsinainy,
15
ny voany roa mbamin’ny fonom-boany izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahany ao akaikin’ny voany.
16
Hodoran’ny mpisorona izany hanetona eo ambonin’ny ôtely. Faham-pisoronana atao amin’ny afo, ho fofona ankasitrahina izany. An’i Iaveh ny sabora rehetra.
17
Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na ra akory.»
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27