bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Leviticus 2
Leviticus 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 3 →
1
«Raha misy olona manolotra zavatra amin’i Iaveh hatao fanatitra, dia lafarina tsara indrindra no hateriny, ka horarahany diloilo eo amboniny sy hampiany emboka.
2
Hoentiny amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna izany, dia angalan’ny mpisorona eran-tanana ila miaraka amin’ny lafarina tsara indrindra voararaka diloilo ny emboka rehetra, ka hodorana hanetona eo ambonin’ny ôtely izany, ho fahatsiarovana. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
3
Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»
4
«Raha zavatra endin-dafaoro no atolotrao ho fanatitra, dia ho mofo mamy vita amin’ny lafarina tsara indrindra tsy misy lalivay, voadity amin’ny diloilo, sy mofo manify, tsy misy lalivay, voararaka diloilo.»
5
«Ary raha mofo endin-dapoaly no atolotrao ho fanatitra, dia mofo lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, tsy misy lalivay.
6
Hovakinao ho tapatapany izy, dia horarahanao diloilo; fanatitra izany.
7
Raha mofo mamy nandrahoina tamin’ny kasirôlina no atolotrao ho fanatitra dia hatao amin’ny lafarina tsara indrindra miharo diloilo.
8
Hoentinao ho ao amin’i Iaveh ny fanatitrao, rehefa voavoatra toy izany; ary rehefa voatolotra amin’ny mpisorona izy, dia hoentiny ao amin’ny ôtely.
9
Havahan’ny mpisorona izay tsy maintsy aterina ho fahatsiarovana, dia hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely; sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
10
Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; fa zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»
11
«Ny fanatitra rehetra aterinao ho an’i Iaveh dia amboarina tsy asiana lalivay; fa tsy azonareo dorana hanetona ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh rehefa zavatra misy lalivay na tantely.
12
Fa azonareo atolotra an’i Iaveh ho fanatitra voaloham-bokatra izany; nefa tsy hisy apetraka eo ambonin’ny ôtely ho fanatitra misy hanitra ankasitrahina.
13
Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran’ny fanekem-pihavanan’ny Andriamanitrao ny fanatitrao: hanolotra sira ao amin’ny fanatitrao rehetra ianao.»
14
«Raha fanatitra atao santa-bokatra no entinao amin’i Iaveh, dia salohim-bary voaendy amin’ny afo, lango voatoto, no haterinao ho fanatitra hatao santa-bokatrao.
15
Handrarahanao diloilo eo amboniny ary hampianao emboka; fanatitra izany.
16
Ny sasany amin’ny vary voatoto sy ny diloilo ary ny emboka rehetra, dia hodoran’ny mpisorona hanetona ho fahatsiarovana. Sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27