bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Leviticus 24
Leviticus 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 25 →
1
Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2
«Omeo didy ny zanak’i Israely hanatitra aminao diloilo madio avy amin’ny ôliva voatoto, hamelomana ny jiro lalandava.
3
I Aarôna no hamboatra azy, eo ivelan’ny efitra lamba, anoloan’ny vavolombelona, ao an-trano lay fihaonana, mba hirehetany lalandava eo anatrehan’i Iaveh, hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany.
4
Halahany eo amin’ny fanaovan-jiro volamena madio ny lalampy eo anatrehan’i Iaveh lalandava.»
5
«Haka lafarina tsara indrindra ianao ka handrahoanao mofomamy roa ambin’ny folo, samy ho roa ampahafolon’ny efah avy ny mofomamy.
6
Hapetrakao mifanongoa amin’ny antontany roa ireo, enina isan’antontany, eo ambonin’ny latabatra volamena madio, eo anatrehan’i Iaveh.
7
Hasianao emboka madio eo ambonin’ny isan’antontany avy, ho fahatsiarovana, eo amin’ny mofo atolotra amin’ny afo ho an’i Iaveh.
8
Halahatra tsy tapaka isan’andro sabata ireo mofo ireo avy amin’ny zanak’i Israely, eo anatrehan’i Iaveh: fanekem-pihavanana maharitra lalandava izany.
9
Ho anjaran’i Aarôna sy ny zanany ireo; ary eo amin’izay toerana masina no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina ho azy ireo izany, amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh. Lalàna maharitra lalandava izany.»
10
Nisy zanaka lahin’ny vehivavy Israelita anankiray, nefa zanaky ny lehilahy Ejiptianina, nankeo afovoan’ny zanak’i Israely; ary nifampila akisa teo an-toby ny zanaka lahin’ilay vehivavy Israelita sy ny lehilahy anankiray amin’i Israely.
11
Ny zanaka lahin’ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salômita, zanak’i Dabrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana;
12
ka nambenan’ny olona izy mandra-pilaza amin’izy ireo ny tenin’i Iaveh.
13
Dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
14
Asaovy mivoaka ny toby ilay mpanevateva, ka aoka hametra-tanana eo ambonin’ny lohany izay rehetra nandre azy, dia aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
15
Ary hiteny amin’ny zanak’i Israely ianao hanao hoe: Izay rehetra manozona ny Andriamaniny, dia hilonjy ny helony;
16
ary izay manevateva ny Anaran’i Iaveh, dia hohelohin-ko faty, ka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra. Na vahiny, na tompon-tany, rehefa manevateva ny Anarana masina, dia ho faty.
17
Izay mamono mahafaty olona, dia hovonoin-ko faty.
18
Izay mamono mahafaty biby fiompy, dia hanonitra mihoatra azy: aina solon’ny aina.
19
Izay mandratra ny namany, dia hasiana toraky ny nataony:
20
tapaka efain-tapaka, maso efai-maso, nify efai-nify, izay ratra nafitsony ny namany dia mba hafitsoka azy koa.
21
Izay mahafaty biby fiompy hanonitra hoatra azy; fa izay mahafaty olona kosa, dia hatao maty koa.
22
Hofehezin’izany lalàna iray izany avokoa ianareo na vahiny na tompon-tany, fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
23
Nony voalazan’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany, dia navoakan’izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27