bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Leviticus 27
Leviticus 27
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
1
Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:
2
«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao amin’izy ireo hoe: Raha misy olona mivoady, dia an’i Iaveh ny olona, araka izay anombananareo azy.
3
Raha lehilahy no hotombanana ny hatramin’ny roapolo taona, dia tombano volafotsy dimampolo sikla araka ny sikla masina;
4
ary raha vehivavy, dia telopolo sikla no hanombananao azy.
5
Ny hatramin’ny dimy taona ka hatramin’ny roapolo taona, raha zazalahy dia roapolo sikla no hanombananao azy, ary raha zazavavy dia folo sikla.
6
Ny hatramin’ny iray volana hatramin’ny dimy taona, raha zazalahy dia dimy sikla no hanombananao azy, ary raha zazavavy dia telo sikla.
7
Ny hatramin’ny enimpolo taona no ho miakatra dia dimy ambin’ny folo sikla raha lehilahy, ary folo sikla raha vehivavy.
8
Raha mahantra loatra izay olona mivoady ka tsy mahaloa ny tombana nataonao, dia hoentina mankeo amin’ny mpisorona izay hanombana azy izy, ka dia hoferan’ny mpisorona araka ny teo-pananan’ny olona nivoady ny tombany.»
9
«Raha biby fanao fanatitra ho an’i Iaveh no nivoadiana, dia zava-masina izay rehetra homena an’i Iaveh toy izany.
10
Tsy hosoloana izany, ny ratsy tsy hasolo ny tsara, ny tsara tsy hasolo ny ratsy; ary raha soloina biby anankiray ny biby anankiray hafa, dia ho samy zava-masina izy roaroa.
11
Ary raha biby maloto tsy fanao fanatitra amin’i Iaveh kosa, dia hoentina mankeo amin’ny mpisorona,
12
ka ny mpisorona no hanombana azy araka ny hatsarany na haratsiany, dia izay tombany ataon’ny mpisorona no ekena.
13
Raha tiana havotana izy dia hotongoavana ny ampahadimin’izay nanombananao azy.»
14
«Raha misy olona manamasina ny tranony, manokana azy ho an’i Iaveh, dia hotombanan’ny mpisorona araka ny hatsarany na ny haratsiany ny trano, ka izay tombany ataon’ny mpisorona no harahina.
15
Raha te hanavotra ny tranony ilay nanamasina azy, hotongoaviny ny ampahadiminy izay nanombananao azy, dia ho azy ny trano.»
16
«Raha misy olona manokana ho an’i Iaveh ny sasany amin’ny zara taniny, dia ho araka ny voa famafy aminy no hanombananao azy, ka volafotsy dimampolo sikla no hanombananao ny tany mifafy orja iray gômera.
17
Raha miantomboka amin’ny taona Jobily no anokanany ny taniny dia io tombany nataony io no arahina,
18
fa raha atỳ aorian’ny Jobily kosa no hanokanany ny taniny, dia ho araka ny isan’ny taona sisa mandra-piavin’ny Jobily no hanombanan’ny mpisorona ny vidiny, ka hahenany ny tombany nataonao.
19
Raha te hanavotra ny taniny ilay nanokana azy, hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny nanombananao azy, dia hipetraka ho azy ny tany.
20
Raha tsy avotany ny tany na amidiny amin’olona hafa dia tsy azo avotana intsony;
21
fa rehefa afaka amin’ny Jobily ny tany dia hatokana ho an’i Iaveh toy ny tany nivoadiana, ka ho tonga fananan’ny mpisorona.
22
«Raha misy olona manokana ho an’i Iaveh ny tany novidiny tsy anisan’ny zara taniny,
23
dia hoferan’ny mpisorona izay vidiny, araka ny anombananao azy mandra-piavin’ny taona Jobily, dia haloan’izany olona izany androtr’io ihany izay voafetra ho vidiny, ho zavatra voatokana ho an’i Iaveh.
24
Amin’ny taona Jobily dia hiverina amin’izay nividianana azy sy tompon-jara tany azy ilay tany.
25
Ny tombana rehetra hataonao araka ny sikla masina; roapolo gerà ny sikla iray.»
26
«Tsy misy anefa mahazo manokana voalohan-teraky ny biby fiompiny, fa efa an’i Iaveh rahateo izany noho ny mahavoalohan-teraka azy, ka na omby na ondry dia efa an’i Iaveh izany.
27
Ary ny amin’ny biby maloto dia havotana araka izay tombany hataonao izy, hotongoavina ny ampahadiminy, fa raha tsy avotana izy dia hamidy araka izay hanombananao azy.»
28
«Izay rehetra natokan’ny olona nataony anatema ho an’i Iaveh amin’izay rehetra ananany, na olona na biby, na tany zara lovany, dia tsy ho azo amidy na avotana, fa zava-masina dia masina an’i Iaveh avokoa izay rehetra natokana natao anatema.
29
Tsy misy azo avotana izay olona natao anatema, fa atao maty.»
30
«Ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny tany, na ny avy amin’ny voa famafy amin’ny tany, na ny avy amin’ny voan’ny hazo, dia an’i Iaveh avokoa, zava-boatokana ho an’i Iaveh izany.
31
Raha misy olona te hanavotra amin’ny ampahafolon’ny vokany, dia hotongoaviny ny ampahadiminy izay vidiny.
32
Ny ampahafolon’ny biby fiompy, na vaventy na madinika, amin’izay biby fiandry rehetra, dia atokana ho an’i Iaveh avokoa ny ampahafolony.
33
Tsy azo ifidianana izay tsara na ratsy izany, ary tsy azo takalozana koa; fa raha takalozana dia ho samy zava-masina avokoa, na ny biby natakalo, na izay natakalo azy, sady samy tsy ho azo avotana.»
34
Ireo no didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ho an’ny zanak’i Israely, tao an-tendrombohitra Sinaia.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27