bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Micah 2
Micah 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 3 →
1
Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa, tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany.
2
Tsiriritiny ny saha ka alainy, ny trano koa ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany.
3
Ka izao no lazain’i Iaveh: Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity, ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo: ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.
4
Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe: «Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika; amidiny ho anjaran’ny vahoakako! Ahoana no angalany izany amiko? Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?»
5
Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’i Iaveh.
6
Aza maminany intsony ianareo, hoy izy ireo maminany. Raha tsy misy maminany amin’ireto anefa, tsy hiala ny fahafaham-baraka.
7
Ianao, ilay antsoina hoe taranak’i Jakôba, moa tsy manana fandeferana va i Iaveh? Izany va no asa fanaony? «Moa ny teniko tsy mba tenim-pitiavana ho an’izay mandeha amin’ny hitsiny?»
8
Omaly ny vahoakako no nitsangan-ko fahavalo: ny kapaoty endahanareo hiala eo ambonin’ny akanjo; ny mizotra tsy manana ahiahy, ataonareo fahavalo.
9
Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako roahinareo hiala amin’ny tranony tsy foiny; esorinareo eo amin’ny zanany madinika ny voninahitro hiala aminy mandrakizay.
10
«Mitsangàna ianareo, ka mandehana: fa tsy toerana fitsaharana eto,» noho ny loto hampijaly anareo, sy noho ny fampijaliana mampangirifiry.
11
Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: «Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!» dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity.
12
Hamory anao manontolo Aho, ry Jakôba ô, hangoniko izay sisa amin’i Israely; hovoriko hikambana toy ny ondry amin’ny vala izy; toy ny ondry andiany eo afovoam-bàlany no ho fisasasasan’ny olona ankabetsahany.
13
Miakatra eo alohan’izy ireo, ny mpanabanga. Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady, ary mivoaka aminy koa; ny mpanjaka no mandroso eo anoloany, ary i Iaveh no mitarika azy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7