bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Micah 3
Micah 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 4 →
1
Hoy aho: Mihainoa ianareo, ry loholon’i Jakôba, mbaminareo mpanapaka ny taranak’i Israely! Tsy anjaranareo va ny mahalala ny rariny,
2
dia ianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy, manendaka ny hoditra amin’ny vatana, sy ny nofo amin’ny taolana?
3
Izy ireo no mihinana ny nofon’ny vahoakako; manendaka ny hoditra eo amin’ny vatany, mamakivaky ny taolany, mamotipotika azy toy ny ao am-bilany, ary toy ny hena ao am-bilany lehibe.
4
Hitaraina amin’i Iaveh izy ireo amin’izany, nefa tsy hohenoiny; hafeniny amin’izy ireo ny Tavany amin’izany andro izany, araka ny haratsiana nanaovany ny asany.
5
Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ireo mpaminany izay nampaniasia ny vahoakako; izy ireo raha mbola manan-kokaikerina ny nifiny, mitory ny fihavanana; izay rehetra tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia ilazany avokoa fa hiady:
6
Koa alina no ho azonareo ho solon’ny fahitana; ary haizina ho solon’ny faminaniana; ny masoandro hilentika amin’ny mpaminany ary ny andro ho maizina amin’izy ireo.
7
Hangaihay ny mpahita, ary ho mena azon’ny henatra ny mpanao fankatoavana; hisarom-bolom-bavany izy rehetra, fa tsy hisy intsony ny valy avy amin’Andriamanitra.
8
Fa izaho kosa feno hery, omban’ny Fanahin’i Iaveh, ary feno rariny aman-kerim-po, hanambara amin’i Jakôba ny helony; sy amin’i Israely ny fahotany.
9
Koa henoinareo izao, ry loholon’ny taranak’i Jakôba, sy mpanapaka ny taranak’i Israely, izay mankahala ny rariny, sy mamadika ny hitsiny,
10
manangana an’i Siôna amin’ny fandatsahan-dra, sy i Jerosalema amin’ny faharatsiana!
11
Ny mpifehy ao aminy, mitsara noho ny kolikoly, ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama, ary ny mpaminany, maminany noho ny vola, ary miankina amin’i Iaveh izy manao hoe: Moa tsy eto amintsika va i Iaveh? Tsy mety hanjò antsika ny loza!
12
Koa noho ny aminareo, i Siôna hanjary saha asaina, i Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7