bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Micah 4
Micah 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 5 →
1
Izao no ho tonga any am-paran’ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh, haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin’ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena.
2
Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; fa hampianariny antsika ny lalany, dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika. Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.
3
Ho elanelam-panahy amin’ny firenena maro izy sy ho mpitsara ny vahoaka mahery hatrany lavitra any. Hanefy ny sabany ho lelan’angadin’omby ireny ary ny lefony ho antsy fijinjana; tsy hanainga sabatra hamely ny hafa, ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony ny olona.
4
Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy; sy eny ambanin’ny aviaviny; tsy hisy olona hanelingelina azy akory; fa ny vavan’i Iavehn’ny tafika no efa niteny.
5
Satria ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy, ary isika mandeha amin’ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitsika mandrakizay dia ho mandrakizay.
6
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - horaisiko ny mandringa, hovoriko ny efa mihahaka, sy izay efa nasiako mafy.
7
Ny mandringa hataoko ho sisa, ary ny lasa lavitra ho firenena mahery; ka i Iaveh hanjaka amin’izy ireo ao an-tendrombohitra Siôna hatramin’izay ka ho mandrakizay.
8
Ary ianao, ry tilikambon’ny andiam-biby fiompy, tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna, ho tonga hatreo aminao, dia hiverina aminao ny fanapahana taloha, dia ny fanjakana izay ananan’ny zanaka vavin’i Jerosalema.
9
Nahoana no manezaka mitaraina ianao ankehitriny? Tsy misy mpanjaka va eo aminao, ary levona ny mpanolo-tsainao, no dia voan’ny fanaintanana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?
10
Aoka ho voan’ny fanaintainana sy hanezaka ianao, ry zanaka vavin’i Siôna, toy ny vehivavy raha miteraka! Fa efa hivoaka ny tanàna ianao ankehitriny, ka nonina any an-tsaha, ary ho tonga hatrany Babilôna; any no hanafahana anao; any no hanavotan’i Iaveh anao, ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.
11
Ankehitriny kosa efa tafavory hamely anao, ny firenena maro; ka manao hoe: Aoka halàm-baraka izy, ary aoka hibanjina an’i Siôna ny masontsika!
12
Tsy fantatr’izy ireo anefa ny hevitr’i Iaveh; ka tsy azony an-tsaina ny hevitra voakasany, dia ny nanambàrany azy ireo toy ny amboara eo am-pamoloana.
13
Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kitronao, hataoko varahina, ka hanorotoro firenena maro ianao, ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho, sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra.
14
Koa ankehitriny, ry zanaka vavin’ny antoko miaramila, vorio ny antoko - miaramilanao! Fa isika efa natao fahirano; asiana ny tsora-kazo amin’ny takolany ny mpitsara an’i Israely
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7