bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Micah 5
Micah 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 6 →
1
Ary ianao, ry Betleema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay.
2
Koa noho izany, dia hanolotra an’ireny izy mandra-piavin’ny fotoana hiterahan’ilay tsy maintsy hiteraka; ary ny sisa amin’ireo rahalahiny dia hiverina amin’ny zanak’i Israely.
3
Ho mafy fijoro izy, ka hiandry ny ondriny, amin’ny herin’i Iaveh, amin’ny fiandrianan’ny Anaran’i Iaveh Andriamaniny; ary handry feizay ny olona, fa ho lehibe izy amin’izay, hatrany amin’ny faran’ny tany.
4
Izy no ho fiadanana. Rehefa ho tonga eto amin’ny tanintsika ny Asirianina, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpifehy ny vahoaka valo,
5
Hiandry ny tanin’i Asora amin’ny sabatra ireo, sy ny tanin’i Nemrôda eo am-bavahadiny; ary izy hanafaka antsika amin’ny Asirianina, rehefa tonga amin’ny tanintsika ireny, sy hanitsaka ny faritanintsika ny tongony.
6
Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena maro, ho toy ny ando avy any amin’i Iaveh, toy ny orana mipitipitika milatsaka amin’ny ahi-maitso; izy tsy miandry izay olona akory, na matoky ny zanak’olombelona.
7
Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena, eo afovoan’ny vahoaka maro, dia ho toy ny liona eo amin’ny biby any an’ala, ho toy ny liona tanora eo amin’ny andian’ondry; ka raha mandalo sy manosihosy ary mamiravira izy, tsy misy mahavonjy.
8
Aoka hiainga ny tananareo hamely izay manohitra anareo, ary aoka ho ringana ny fahavalonareo!
9
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - ny soavalinao haringako eo aminao, ny kalesinao hofongoriko.
10
Ny tanàna eo amin’ny taninao horavako; ny tranonao mimanda harodako avokoa.
11
Ny famosavianao, hoesoriko eny an-tananao, ka tsy hisy mpimasy intsony eo aminao.
12
Ny sampy aman-tsangam-batonao hofoanako eo aminao, ka tsy hivavaka amin’ny asan-tananao intsony ianao.
13
Hongotako ny aserah eo afovoanao, ary harodako ny tanànanao,
14
Ary amin’ny hatezerako amam-pahavinirako Aho hamaly faty an’ireo firenena izay tsy nihaino.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7