bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Micah 6
Micah 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 7 →
1
Mihainoa àry izay lazain’i Iaveh ianareo: - Mitsangàna ianao ary ataovy vita ny adinao eo anoloan’ny tendrombohitra, ary aoka ny havoana handre ny feonao!
2
Mihainoa ny adin’i Iaveh ianareo, ry tendrombohitra, mbaminareo fanorenan’ny tany tsy azo ovana! Fa manana ady amin’ny vahokany i Iaveh; ka handahatra manohitra an’i Israely Izy. -
3
Inona no nataoko taminao, ry vahoakako, inona no nampalahelovako anao? Valio ny teniko.
4
Fa nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta Aho, ary nanavotra anao tamin’ny trano nahandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria.
5
Tsarovy àry, ry vahoakako, ny hevitra nomen’i Balàka, mpanjakan’i Moaba, sy ny navalin’i Balaama, zanak’i Beôra, azy. Tsarovy ny hatrany Setima ka hatrany Galgalà, hahafantaranao ny fahamarinan’i Iaveh.
6
Inona no hoentiko hanoloana an’i Iaveh sy hiankohoka eo anatrehan’ny Andriamanitry ny any ambony? Hanoloana azy mitondra sorona dorana va aho dia zanak’omby efa iray taona?
7
Hankasitrahin’i Iaveh va ny ondry arivoarivo, ny renirano diloilo alinalina? Hanolotra ny lahy matoako va aho, noho ny heloko, dia ny naloaky ny kiboko, noho ny fahotan’ny fanahiko?
8
Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.
9
Miantso mafy miteny amin’ny tanàna ny feon’i Iaveh - ary fahendrena kosa ny manaja ny Anaranao: - Mihainoa ianareo, ny tsora-kazo, mbamin’izay nandidy azy!
10
Mbola misy, ao an-tranon’ny ratsy fanahy ihany va ny harena tsy marina, sy ny efah tsy ampy, maharikoriko?
11
Moa hadio va aho, raha mana-mizàna mandainga, sy vato tsy marina ao anatin’ny kitapo?
12
Feno fahasiahana ny mpanan-karena amin’ity tanàna ity; milaza lainga ny mponina ao aminy, ary fitaka eo am-bavany fotsiny, ny lelany.
13
Koa izao kosa no Ahy, ka hasiako kapoka mahafaty ianao, haringako noho ny fahotanao ianao.
14
Hihinana ianao, nefa tsy ho voky, ary ho ao anatinao ny hanoanana; hahatakao lavitra ihany nefa tsy hisy hovonjenao na inona na inona, ary na izay voavonjinao aza, hatolotrao ny sabatra.
15
Hamafy ianao, fa tsy hijinja; hamia ôliva ianao, fa tsy hihosotra diloilo; hamia ranom-boaloboka, fa tsy hisotro divay.
16
Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7