bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Revelation 10
Revelation 10
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 11 →
1
Dia nahita Anjely anankiray hafa koa aho, nidina avy any an-danitra ka rahona no nitafiany, avana no teo ambony lohany, tahaka ny masoandro ny tarehiny, ary sahala amin’ny andry afo ny tongony.
2
Nitana boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ny tongony ankavanana moa natsatony tamin’ny ranomasina, ary ny ankavia kosa tamin’ny tany;
3
niantso tamin’ny feo mahery toy ny fieron’ny liona izy, ka vao niantso izy dia nandefa ny feony ny kotrokorana fito.
4
Nony nandre ny feon-kotrokorana fito aho, dia ndeha hanoratra, kanjo nandre feo avy any an-danitra nanao tamiko hoe: «Asio tombokase ny voalazan’ny kotrokorana fito, fa aza soratana.»
5
Tamin’izay ilay Anjely hitako nitsangana teo ambony ranomasina sy teo ambonin’ny tany dia nanandratra ny tanany ankavanana tany an-danitra,
6
ka nianiana tamin’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra mbamin’izay ao aminy, sy ny tany mbamin’izay ao aminy ary ny ranomasina mbamin’izay ao aminy, fa tsy hisy andro intsony;
7
fa amin’ny andro hampandrenesan’ny Anjely fahafito ny feony, amin’ny fitsofana ny trômpetra, dia ho tanteraka ny misterin’Andriamanitra, araka ny nampilazainy ny mpaminany mpanompony,
8
Ary niteny tamiko indray ilay feo reko avy any an-danitra, nanao hoe: «Mandehana alao ny boky kely mivelatra eny an-tanan’ilay Anjely mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy ny tany.»
9
Dia nankany amin’ilay Anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky, ka hoy ny navaliny ahy: «Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao, nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao.»
10
Noraisiko ny boky teny an-tanan’ity Anjely, dia nateliko avokoa, ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako, fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko.
11
Tamin’izay dia nisy nilaza tamiko hoe: «Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa no tsy maintsy mbola haminanianao.»
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22