bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Revelation 13
Revelation 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 14 →
1
Raha efa izany, dia nahita Biby anankiray niakatra avy amin’ny ranomasina aho; fito ny lohany, folo ny tandrony, satroboninahitra folo no teny an-tandrony, ary anarana fanevatevana an’Andriamanitra no tamin’ny lohany.
2
Sahala amin’ny leoparda ilay Biby hitako; toy ny tongotr’orsa ny tongony, tahaka ny vavan-diona ny vavany. Nomen’ilay Dragona azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
3
Toa voan’ny ratra mahafaty ny lohany iray, nefa sitrana ihany ilay fery saika nahafaty azy ary gaga ny tany rehetra, ka sady nanaraka azy
4
no nitsaoka ny Dragona izay nanome fahefana ny Biby, sy nitsaoka ny Biby koa, nanao hoe: «Iza moa no tahaka ny Biby, ary iza no mahady aminy?»
5
Ary nomena vava mitsaontsaona sy manevateva an’Andriamanitra izy, sady nomena fahefana hanaram-po roa amby efapolo volana.
6
Dia nanokatra ny vavany izy, ka nanevateva an’Andriamanitra sy nanevateva ny Anarany mbamin’ny tranolainy, sy ireo monina any an-danitra.
7
Nomena fahefana hiady amin’ny olo-masina sy handresy ireo koa izy; ary nomena fahefana tamin’ny foko rehetra, sy ny fanjakana mbamin’ny samy hafa fiteny sy ny firenena rehetra.
8
Dia hitsaoka azy ny mponina eto an-tany rehetra, izay tsy mba voasoratra anarana teo amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry, Ilay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.
9
Izay manan-tsofina aoka hihaino.
10
Izay tokony ho amin’ny fahababoana, dia mankany amin’ny fahababoana; izay mamono amin’ny sabatra tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra. Toy izany no fandeferana sy finoan’ny olo-masina.
11
Dia nahita Biby anankiray hafa koa aho.
12
Nampiasainy avokoa ny fahefan’ilay Biby voalohany eo anatrehany, ary nampivavahiny tamin’ilay Biby voalohany, sitrana tamin’ny fery saika nahafaty azy, ny tany mbamin’izay monina ao aminy, niakatra avy amin’ny tany; roa toy ny an’ny zanak’ondry ny tandrony, ary niteny toy ny dragona izy.
13
Nanao fahagagana lehibe teo imason’ny olona izy hatramin’ny nampidinana afo avy any an-danitra ho etỳ an-tany aza;
14
ary namitaka ny mponina amin’ny tany tamin’ny fahagagana nomena hataony teo anatrehan’ny Biby, nasainy nanao sarin’ilay Biby naratry ny sabatra nefa velona ihany, ny mponina eto an-tany;
15
sady navela hanisy aina ny sarin’ny Biby izy, sy hampiteny azy, ary hampamono izay rehetra tsy mivavaka amin’ny sarin’ny Biby.
16
Ny olona rehetra, na kely na lehibe, na mpanan-karena na mahantra, na olona tsotra na mpanompo, dia nasainy nasiana marika tamin’ny tanany ankavanana na tamin’ny handriny avokoa;
17
mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra afa-tsy izay voaisy mariky ny anaran’ny Biby, na ny isan’ny anarany.
18
Eto no ilàna fahendrena! Ka aoka izay manan-tsaina hamantatra ny isan’ny Biby, fa isa milaza olona izany, ary enina amby enimpolo sy enin-jato izany isa izany.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22