bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Revelation 8
Revelation 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 9 →
1
Nony nosokafan’ny Zanak’ondry ny tombokase fahafito, dia nisy fanginana sahabo ho antsasak’adiny tany an-danitra.
2
Nony afaka izay, dia nahita ireo Anjely fito mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra aho, ary nomena trômpetra fito izy ireo.
3
Dia indro koa nisy Anjely anankiray hafa, nitsangana teo anoloan’ny ôtely, nitana fanembohana volamena, ary nomena emboka manitra betsaka mba hanolotra ny vavaky ny olo-masina rehetra eo ambony ôtely volamena, izay eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra:
4
ary ny fofon’ny emboka manitra, avy amin’ny vavaky ny olo-masina, dia niakatra ho eo anatrehan’Andriamanitra avy amin’ny tanan’ny Anjely.
5
Ary nalain’ilay Anjely ny fanembohana, nofenoiny afo avy teo ambony ôtely, dia nazerany tamin’ny tany, ka nisy feo aman-kotroka sy tsela-baratra, sady nihorohoro ny tany.
6
Ary niomana hitsoka ny trômpetra ny Anjely fito izay nitondra ny trômpetra fito.
7
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely voalohany, ka nisy havandra sy afo miharo ra nalatsaka tamin’ny tany, ary may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny hazo, may koa ny ahi-maitso rehetra.
8
Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely faharoa, dia nisy toa tendrombohitra mirehitra nazera tany anaty ranomasina, ka nanjary ra ny ampahatelon’ny ranomasina,
9
maty ny ampahatelon’ny zava-manana aina tao amin’ny ranomasina, ary levona ny ampahatelon’ny sambo.
10
Nitsoka ny trômpetra koa ny Anjely fahatelo, dia nisy kintana lehibe anankiray, mirehitra toy ny fanilo, nilatsaka avy any an-danitra, nianjera tamin’ny ampahatelon’ny ony, sy tamin’ny loharano.
11
Imangidy no anaran’io kintana io, ka tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano, ary maro ny olona matin’ny rano, noho izy tonga mangidy.
12
Nitsoka ny trômpetra indray ny Anjely fahefatra, dia voa ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, ka tonga maizina ny ampahatelon’ireo, tsy nazava intsony ny ampahatelon’ny andro, ary toraka izany koa ny alina.
13
Nanaraka izany dia nijery aho, ary nandre feom-boromahery anankiray nanidina teny afovoan’ny lanitra, niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Loza, loza, loza ho an’izay monina eny ambonin’ny tany, noho ny feon’ny trômpetra telo sisa izay efa hotsofin’ny Anjely.»
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22