bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Revelation 22
Revelation 22
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
1
Dia nasehony ahy ity onin-dranovelona, mangarangarana toy ny kristaly, nivoaka avy ao amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, namaky ny kianjan’ny tanàna.
2
Teo an-daniny roa amin’ny ony, dia nisy hazon’aina mamoa indroa ambin’ny folo, dia indray mandeha isam-bolana, ary mandravina fanasitranana ny firenena.
3
Ny ozona tsy hisy intsony; ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ho ao an-tanàna; ary ny mpanompony, hanompo Azy,
4
sady hahita ny tavany sy hanana ny Anarany eo an-kandriny.
5
Tsy hisy alina intsony; ary tsy hila ny fanazavan’ny jiro, na ny fanazavan’ny masoandro izy ireo, fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; sady hanjaka mandrakizay mandrakizay izy rehetra.
6
Ary hoy ilay Anjely tamiko: «Marina sy mahatoky ireo teny ireo; ary ny Tompo Andriamanitry ny fanahin’ny mpaminany no efa naniraka ny Anjeliny, mba hanambara amin’ny mpanompony ny zavatra rehetra tsy maintsy ho tonga faingana.
7
Indro, avy faingana Aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity.»
8
Izaho Joany no nahita sy nandre ireo zavatra ireo. Nony efa nahita sy nandre izany aho, dia nidaboka teo an-tongotr’ilay Anjely naneho izany tamiko, mba hiankohoka taminy:
9
nefa hoy izy tamiko: «Tandremo, aza manao izany, fa mpanompo namanao ihany koa aho, sy naman’ny mpaminany havanao, mbamin’izay mitandrina ny teny amin’ity boky ity; Andriamanitra no tsaohy.»
10
Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombokase ny teny faminaniana amin’ity boky ity, fa efa antomotra ny fotoana.
11
Ka ny olon-dratsy avelao hanao ratsy ihany; izay maloto avelao hihamaloto ihany. Fa ny olo-marina kosa, aoka hihamarina kokoa, ary ny efa masina aoka hihamasina kokoa.
12
Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.
13
Izaho no Alfà sy Omegà, voalohany sy farany, ary fiandohana sy fiafarana.
14
Sambatra izay manasa ny akanjony amin’ny Ran’ny Zanak’ondry, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina, sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna.
15
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
16
Izaho Jesoa no naniraka ny Anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an’ny Eglizy. Dia Izaho ilay solofo sy taranak’i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro.
17
Ary hoy ny Fanahy sy ny Ampakarina: Avia! Aoka izay nandre koa hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin’izay maniry izany, ka hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina!
18
Ary izao no lazaiko amin’izay rehetra mandre ny teny faminaniana amin’ity boky ity: Raha misy manampy azy, dia hasian’Andriamanitra amin’ny loza voasoratra amin’ity boky ity.
19
Ary raha misy kosa manesotra teny amin’ity boky faminaniana ity, dia hoesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy ny tanàna masina voasoratra amin’ity boky ity.
20
Izao no lazain’ilay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana aho. Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!
21
Ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amen.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22