bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Revelation 4
Revelation 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
1
Taorian’izany, dia hitako fa indro nisy varavarana mivoha teny an-danitra; ary ilay feo voalohany efa reko, toy ny an’ny trômpetra, dia niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy any aoriana any.
2
Niaraka tamin’izay, dia voatsindrin’ny Fanahy aho, ka indro nisy seza fiandrianana niarina tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.
3
Toy ny vato jaspa sy sardoana ny tarehin’ilay nipetraka; ary voahodidina avana miendrik’emeraoda ny seza fiandrianana.
4
Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy 24 koa no nipetraka tambonin’ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satroboninahitra volamena no teny an-dohany.
5
Helatra sy feo aman-kotroka no nivoaka tamin’ilay seza fiandrianana, ary fanaovan-jiro fito mirehitra no teo anoloany, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra izany.
6
Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan’ilay seza fiandrianana, ary Zava-manana aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny no teo afovoany sy nanodidina azy.
7
Ilay Zava-manana aina voalohany moa toy ny liona, ny faharoa tahaka ny zanak’omby, ny fahatelo nanan-tava toy ny an’ny olona, ary ny fahefatra sahala amin’ny voromahery manidina.
8
Samy nanana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso ny manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman’alina hoe: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
9
Nony injay ireo Zava-manana aina manome haja amam-boninahitra sy saotra an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy velona mandrakizay mandrakizay,
10
ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:
11
«Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-àry azy.»
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22