bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezra 2
Ezra 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 3 →
1
Tamin’ireo olona nobaboin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ka nentiny ho any Babilônia, dia maro ny teraky ny faritanin’i Joda no niala sesitany ka nitodi-doha ho any Jerosalema sy Joda, samy niverina ho any an-tanànany avy;
2
ireo no nandeha niaraka tamin’ireto mpitarika azy ireto, dia ry i Zerobabela, i Jesoa, i Nehemià, i Seraià, i Relaià, i Môrdôkay, i Bilsàna, i Mispara, i Bigvay, i Rehoma, ary i Bahanà. Izao kosa no isan’ny vatan-dehilahy tao anatin’izany andian’Israelita izany:
3
ny terak’i Parehôsy dia nisy lehilahy 2 172;
4
ny terak’i Sefatià dia nisy lehilahy 372;
5
ny terak’i Arà dia nisy lehilahy 775;
6
ny terak’i Pahata-Môaba, izany hoe ireo taranak’i Jesoa sy i Jôaba, dia nisy lehilahy 2 812;
7
ny terak’i Helama dia nisy lehilahy 1 254;
8
ny terak’i Zatò dia nisy lehilahy 945;
9
ny terak’i Zakay dia nisy lehilahy 760;
10
ny terak’i Banỳ dia nisy lehilahy 642;
11
ny terak’i Bebay dia nisy lehilahy 623;
12
ny terak’i Hazgada dia nisy lehilahy 1 222;
13
ny terak’i Adônikama dia nisy lehilahy 666;
14
ny terak’i Bigvay dia nisy lehilahy 2 056;
15
ny terak’i Hadîna dia nisy lehilahy 454;
16
ny terak’i Atera na hoe Hezekià dia nisy lehilahy 98;
17
ny terak’i Betsay dia nisy lehilahy 323;
18
ny terak’i Jôrà dia nosy lehilahy 112;
19
ny terak’i Hasoma dia nisy lehilahy 223;
20
ny terak’i Gibara dia nisy lehilahy 95;
21
ny terak’i Betlehema dia nisy lehilahy 123;
22
ny terak’i Netôfà dia nisy lehilahy 56;
23
ny terak’i Hanatôta dia nisy lehilahy 128;
24
ny terak’i Hazmavety dia nisy lehilahy 42;
25
ny terak’i Kiriata-Jeharîma sy i Kefirà ary i Beerôta dia nisy lehilahy 743;
26
ny terak’i Ramà sy i Geba dia nisy lehilahy 621;
27
ny terak’i Mikmasy dia nisy lehilahy 122;
28
ny terak’i Betela sy i Hay dia nisy lehilahy 223;
29
ny terak’i Nebao dia nisy lehilahy 52;
30
ny terak’i Magbisy dia nisy lehilahy 156;
31
ny terak’ilay Helama anankiray dia nisy lehilahy 1 254;
32
ny terak’i Harima dia nisy lehilahy 320;
33
ny terak’i Lôda sy i Hadida ary i Onao dia nisy lehilahy 725;
34
ny terak’i Jerikao dia nisy lehilahy 345;
35
ny terak’i Senaà dia nisy lehilahy 3 630.
36
Ny amin’ny mpisorona indray dia izao: ny terak’i Jedaià, izany hoe ny fianakaviamben’i Jesoa dia nisy lehilahy 973;
37
ny terak’i Imera dia nisy lehilahy 1 052;
38
ny terak’i Pasehora dia nisy lehilahy 1 247;
39
ny terak’i Harima dia nisy lehilahy 1 017.
40
Ny amin’ny Levita koa dia izao: ny terak’i Jesoa sy i Kadmiela mirahalahy, izay samy zanak’i Hôdavià, dia nisy lehilahy 74.
41
Ny amin’ny antoko-mpihira koa dia izao: ny terak’i Asafa dia nisy lehilahy 128.
42
Ny amin’ny mpiandry varavarana koa dia ny terak’ireto olona manaraka ireto: i Saloma, i Atera, i Talmôna, i Hakoba, i Hatità, ary i Sôbay; ka nisy lehilahy 139.
43
Ny amin’ireo mpanampy ny Levita koa dia ny terak’ireto olona manaraka ireto: i Tsihà, i Hasofà, i Tabahôta,
44
i Kerôsa, i Sihahà, i Padôna,
45
i Lebanà, i Hagabà, i Hakoba,
46
i Hagabo, i Salmay, i Hanàna;
47
i Gidela, i Gahara, i Reaià,
48
i Retsîna, i Nekôdà, i Gazama,
49
i Hozà, i Pasea, i Besay,
50
i Asnà, i Mehonima, i Nefosima,
51
i Bakbòko, i Hakofà, i Harahora,
52
i Batselota, i Mehidà, i Harsà,
53
i Barkôsa, i Siserà, i Tema,
54
i Netsia ary i Hatifà.
55
Ny amin’ireo mpanompon’i Salômôna koa dia ny terak’ireto olona manaraka ireto: i Sôtahy, i Sôfereta, i Perodà,
56
i Jakalà, i Darkôna, i Gidela,
57
i Sefatià, i Hatila, i Pôkereta-Tsebaîma ary i Amỳ.
58
Ny tontalin’ireo mpanampy ny Levita sy ireo mpanompon’i Salômôna dia nisy lehilahy 392.
59
Ireo lehilahy mpiala sesitany niainga avy tany Tela-Mela sy Tela-Harsà na niainga avy tany Keroba sy Adanà ary Imera, saingy tsy nahalaza ny maha Israelita ny fianakaviany sy ny firazanany,
60
dia ny taranak’i Delaià sy i Tôbià ary i Nekôdà; miisa 652 ireo lehilahy ireo.
61
Nisy tamin’ireo mpisorona koa niharan’izany tarehin-javatra izany, dia ny taranak’i Hôbaià sy i Hakôtsa ary i Barzilay; (nantsoina araka izany anarana izany i Barzilay noho izy nanambady ny zanakavavin’i Barzilay izay avy any Gilehada).
62
Nitady ny taratasy milaza ny firazanany ry zareo saingy tsy nahita; dia noheverina ho tsy madio ara-pivavahana izy ka nahantona tsy hanao fisoronana.
63
Noraran’ny governora tsy hihinana ny zava-masina dia masina izy mandra-pitsangan’izay mpisorona anankiray hanapa-kevitra momba azy amin’ny alalan’ny Orîma sy Tomîma.
64
Nisy olona 42 360 no tontalin’ny Israelita tafangona.
65
Niaraka taminy koa ny mpanompo lahy sy vavy miisa 7 337, ny mpihira lahy sy vavy miisa roanjato;
66
ankoatra ireo ny soavaly miisa 736, ny mole miisa 245,
67
ny rameva miisa 435 ary ny boriky miisa 6 720.
68
Rehefa tonga tao an-tranon’ny TOMPO tany Jerosalema izy rehetra, dia nanao fanomezana an-tsitrapo ny loham-pianakaviana sasantsasany mba hananganana indray ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay toerany taloha.
69
Nanome araka izay fari-pananany avy izy mba hanampy ny vola voavory hanaovana ny asa: dia volamena 500 kilao, sy volafotsy 2 800 kilao, ary fanamiam-pisoronana zato.
70
Samy nipetraka teny amin’ny tanàna nasaina hipetrahany avy ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka sasantsasany toy ny mpihira na mpiandry varavarana na mpanampy ny levita; fa ny Israelita hafa rehetra kosa dia samy nonina tao an-tanànany avy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10