bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezra 5
Ezra 5
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 6 →
1
Indray andro, ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakarià zanakalahin’i Hidao dia nitondra hafatra ho an’ny Jiosy tao Jerosalema sy Joda, tamin’ny anaran’Ilay Andriamanitr’i Israely, Izay nanentana azy.
2
Dia niroso niasa indray i Zerobabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadaka, mba hanorina ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema ary nanampy azy roa lahy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra.
3
Tamin’izay ihany dia tonga teo amin’ireto mpanorina ny tranon’Andriamanitra i Tatenay governoran’ny faritra andrefan’ny ony Eofrata sy i Setara-Bôzenay mbamin’ireo namany ka nanontany azy hoe: –Iza no nanome baiko anareo hanorina indray io trano io sy hanangana ny manda?
4
Koa takînay aminareo ny anaran’ireo lehilahy manorina ny trano.
5
Saingy nitsinjo an’ireto loholona jiosy hatrany Ilay Andriamaniny; ka tsy nahasakana azy hanohy ny asa ry i Tatenay sy ny namany, mandra-pahatongan’ny tatitra tany amin’i Dariôsa sy nahazoana taratasy ôfisialy momba izany toe-javatra izany.
6
Izao no kôpian’ny taratasy ho an’ny amperôra Dariôsa, taratasy nalefan’i Tatenay governora sy i Setara-Bôzenay ary ny namany mpifehy ny Afarsekita izay teo andafy andrefan’ny ony Eofrata.
7
Nandefa tatitra ho an’ny amperôra ry zareo ka hoy ny voasoratra ao anatiny hoe: «Ho an’ny amperôra Dariôsa, «Mirary soa sy fiadanana feno ho anao izahay, ry Andriamanjaka.
8
Aoka mba ho fantatrao fa teny amin’ny faritanin’i Joda sy tao amin’ny tranon’ilay Andriamanitra lehibe izahay. Aorina indray io trano io izao, ka vato vaventy no ampiasaina ary hazo matevina no alatsaka amin’ny rindrina; voakaly tsara ary mandroso haingana izany asa eo am-pelatanan’ny Jiosy izany.
9
Nanontanianay ireo loholony hoe: Iza no nanome baiko anareo hanorina indray io trano io sy hanangana ny manda?
10
Nanontanianay azy koa ny anarany mba hahazoanay manoratra aminao sy hampahafantatra anao ny anaran’ireo lehilahy mpitarika asa izao.
11
Ka izao no teny navaliny anay: ‹Mpanompon’ilay Andriamanitry ny tany aman- danitra izahay; ary trano efa vita ela be ihany no amboarinay indray, fa mpanjaka lehibe anankiray tamin’i Israely no nanorina sy nahavita azy.
12
Kanefa ny nampahatezeran’ireo razanay an’Ilay Andriamanitry ny lanitra no nanolorany azy ho eo an-tanan’i Nebokadnetsara ilay Kaldeanina mpanjakan’i Babilôna. Nandrava io trano io i Nebokadnetsara sady nitondra ny olona ho babo tany Babilôna;
13
ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon’Andriamanitra koa dia nalainy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ka nentiny ho any amin’ny tempolin’i Babilôna. Fa ny taona voalohany nanjakàn’i Kirôsa tamin’i Babilôna, dia namoaka didy ity amperôra ity mba haorina indray io tranon’Andriamanitra io.
14
Navoakan’i Kirôsa tao amin’ny tempoli-tsampy koa ireo fanaka ireo ka natolony an’ilay atao hoe Sesebatsàro izay notendreny ho governoran’i Joda;
15
dia nasainy noraisin’i Sesebatsàro ireo fanaka ireo mba hapetrany ao amin’ny tempolin’i Jerosalema rehefa voaorina indray eo amin’izay toerany taloha izany tranon’Andriamanitra izany.
16
Dia tonga tao Jerosalema i Sesebatsàro ka nandatsaka ny fototr’ilay tranon’Andriamanitra; ary hatramin’izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia natao ihany izy saingy tsy mbola vita.›
17
Koa raha sitrakao, ry Andriamanjaka, aoka mba hozahana ny trano firaketan’ny amperôra any Babilôna, na misy didy navoakan’ny amperôra Kirôsa hanorenana indray io tranon’Andriamanitra ao Jerosalema io na tsia; ary aoka mba hambaranao, ry Andriamanjaka, ny fanapahan-kevitrao ny amin’izany zavatra izany».
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
Recommended Reading
Commentary
Ezra Commentaries
→
Devotional
Ezra Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→