bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezra 6
Ezra 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 7 →
1
Dia nanome baiko ny amperôra Dariôsa mba hizahana ny trano fitehirizan-taratasy sady fitehirizan-drakitra tao Babilôna.
2
Saingy tao Akmeta, izay tanànamimanda ao amin’ny faritr’i Media, no nahitana horonan-taratasy anankiray mirakitra izao filazana an-tsoratra izao:
3
«Tamin’ny taona voalohany nanjakàn’ny amperôra Kirôsa, dia namoaka didy izy nanao hoe: Ny amin’ilay tranon’Andriamanitra dia aoka haorina indray izany mba hanoloran- tsorona, ka ny fototra taloha no hampiasaina. Ho telopolo metatra ny haavon’ny trano ary ho telopolo metatra koa ny sakany;
4
vato vaventy telo andalana sy hazo matevina iray andalana no hampifandimbiasina amin’izany. Aoka haloa avy amin’ny tranon’ny amperôra izay lany.
5
Ny fanak’ilay tranon’Andriamanitra koa, izany hoe ireo fanaka volamena sy volafotsy izay nalain’i Nebokadnetsara tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ka nentiny ho any Babilôna, dia aoka haverina ho any amin’ny tempolin’i Jerosalema indray ka samy hapetraka amin’ny toerany ao an-tranon’Andriamanitra».
6
Noho izany dia nalefan’i Dariôsa izao taratasy izao: «Any ianareo, ry Tatenay governoran’ny faritra andrefan’ny ony Eofrata sy ry Setara-Bôzenay mbaminareo namany mpifehy ny Afarsekita any andafy andrefan’ny ony. «Mihataha tao ianareo
7
ka avelao hotohizana ny fanaovana io tranon’Andriamanitra io; aoka ilay governoran’ny Jiosy sy ireo loholony hanorina indray io trano io amin’izay toerany taloha.
8
Izao no didy avoakako ho anareo any amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholona jiosy hanorenany indray izany trano izany: aoka ny haren’ny amperôra, dia ny hetra avy amin’ny faritra andrefan’ny ony no handoavana izay lany marina ho an’ireo lehilahy ireo mba tsy hiatoatoan’ny asa.
9
Ny zavatra ilain’ny mpisorona ao Jerosalema dia omena azy isan’andro isan’andro tsy tapaka: na ny ombilahy sy ondrilahy ary zanakondry hanaovana sorona dorana manontolo ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra, na koa ny varimbazaha sy sira na divay sy menaka, samy araka ny fandaharana ataon’ireo mpisorona.
10
Dia afaka hanolotra sorona ho hanitra ankasitrahina ho an’Ilay Andriamanitry ny lanitra ry zareo, no hivavaka mba ho ela velona ny amperôra mbamin’ny zanany.
11
Mamoaka didy koa aho fa na iza na iza mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo anankiray avy amin’ny tranony ary hatsatoka izany ka hahantona eo ny tenany; fa ny tranony kosa dia aoka hatao fanariam-piringa.
12
Ary Andriamanitra Izay efa nampitoetra ny anarany eo amin’io toerana io anie handringana ny mpanjaka sy firenena rehetra izay handika ny didiko ka haninji-tanana handrava io tranon’Andriamanitra any Jerosalema io. Izaho Dariôsa no namoaka ny didy; aoka hotovina an-tsakany sy an-davany izany».
13
Tamin’izay ry Tatenay governoran’ny faritra andrefan’ny ony Eofrata sy ry Setara-Bôzenay mbamin’ireo namany dia nankatò an-tsakany sy an-davany izany teny nalefan’i Dariôsa ho azy izany.
14
Dia nanohy ny taotrano ireo loholona jiosy ka nambinina, araka ny hafatra nentin’ny mpaminany Hagay sy ny mpaminany Zakarià zanakalahin’i Hidao. Nanorina ka nahavita ny tempoly ry zareo, araka ny didin’Ilay Andriamanitr’i Israely sy araka ny baikon-dry i Kirôsa sy i Dariôsa ary i Artakserksesa, amperôran’i Persia.
15
Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara, nandritra ny taona fahenina nanjakan’ny amperôra Dariôsa, no nahavitan’ny tempoly.
16
Ny Israelita nody avy any an-tsesitany, na mpisorona na levita na ny sarambabem-bahoaka, dia nitokana ny tranon’Andriamanitra tamim-pifaliana.
17
Ny sorona natolotra tamin’io fitokanana io dia ombilahy zato sy ondrilahy roanjato ary zanakondry efajato; ary ny ho sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka Israely manontolo dia osilahy 12, izany hoe anankiray isam-poko.
18
Dia nisy fanendrena ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny antokony avy sy araka ny andraikiny avy, mba hanao ny fanompoana an’Ilay Andriamanitra Izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’i Mosesy.
19
Ny andro faha-14 tamin’ny volana voalohan’ny taona manaraka dia nankalaza ny Paska ireo olona nody avy any an-tsesitany.
20
Samy efa nanao fidiovan-tena rahateo ny mpisorona sy ny levita, ka dia nadio izy rehetra; hany ka afaka namono ny zanakondrin’ny Paska ireo levita na ho an’ny sarambabem-bahoaka na ho an’ny mpisorona mpiray foko aminy na ho an’ny tenany.
21
Nihinana ny sakafo Paska avokoa ny Israelita rehetra nody avy any an-tsesitany; niaraka taminy koa ny namany efa nandao ny fiainan-dratsin’ireo valovotaka sy nanompo an’Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely.
22
Tamim-pifaliana no nanaovan’ireo Israelita ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora nandritra ny fito andro. Fa nampifaly azy tokoa ny TOMPO noho Izy nampiova ny amperôra hamindrafo amin’ny Israelita; izany rahateo no nampahery azy tamin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia Ilay Andriamanitr’i Israely.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
Recommended Reading
Commentary
Ezra Commentaries
→
Devotional
Ezra Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→