bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezra 7
Ezra 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 8 →
1
Tatỳ aoriana, tamin’ny andro nanjakàn’i Artakserksesa amperôran’i Persia, no nipoiran’i Hezrà. Io Hezrà io dia zanakalahin’i Seraià sy zafin’i Hazarià sy zafiafin’i Hilkià
2
sy zafin-dohalik’i Saloma sy zafin-kitrokelin’i Tsadôka sy zafim-paladian’i Ahitoba
3
ary zafin-dorian’i Amarià, dia i Amarià zanakalahin’i Hazarià sy zafin’i Meraiôta
4
sy zafiafin’i Zerahià sy zafin-dohalik’i Hozy sy zafin-kitrokelin’i Boky
5
sy zafim-paladian’i Abisoa ary zafin-dorian’i Pinehasa, dia i Pinehasa zanakalahin’i Elehazara sy zafin’i Aharôna mpisorombe.
6
Niakatra avy tany Babilôna i Hezrà; mpahay lalàna izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalàna izay nampitain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’i Mosesy. Nomen’ny amperôra an’i Hezrà avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nombàn’ny herin’Ilay TOMPO Andriamaniny.
7
Tamin’ny taona fahafito nanjakàn’i Artakserksesa no nisy Israelita niverina tany Jerosalema, dia mpisorona sy levita mbamina mpihira sy mpiandry varavarana ary mpanampy ny levita.
8
Niaraka tamin’ireo i Hezrà ka tonga tany Jerosalema tamin’ny volana fahadimin’io taona fahafito nanjakàn’i Artakserksesa io.
9
Ny andro voalohan’ny volana voalohany no niaingan’i Hezrà avy tany Babilôna; ary ny andro voalohan’ny volana fahadimy no nahatongavany tao Jerosalema noho ny fiarovana mahery nombàn’Andriamanitra azy.
10
I Hezrà manko dia efa niorim-po hianatra ny lalànan’ny TOMPO sy hanatanteraka azy ary hampianatra ny didy amam-pitsipika raketiny.
11
Izao no kôpian’ilay taratasy nomen’i Artakserksesa an’i Hezrà mpisorona izay mpahay lalàna fatra-pahalala ny antsipirian’ireo didy aman-dalàn’ny TOMPO ho an’i Israely:
12
«Avy amiko Artakserksesa, mpanjakan’ny mpanjaka, ity taratasy ho an’i Hezrà mpisorona izay mpahay lalana fatra-pahalala ny lalànan’Ilay Andriamanitry ny lanitra. Mamangy anao aho sns...
13
«Manao didy aho fa na iza na iza Israelita eto amin’ny fanjakako, na sarambabem-bahoaka na mpisorona na levita, no te hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
14
Fa izaho sy izy fito lahy mpanolotsaiko dia maniraka anao any Jerosalema sy any Joda mba handinika raha mifanaraka amin’ilay lalànan’Andriamanitrao izay any an-tananao ny toetran’ny Jiosy.
15
Irahinay koa ianao hitondra ny volafotsy sy volamena izay efa sitrako sy sitrak’ireo mpanolotsaiko nomena ho an’Ilay Andriamanitr’i Israely Izay ao Jerosalema no fonenany;
16
ary dia hoentinao koa ny fanomezana rehetra volafotsy sy volamena izay ho azonao eran’ny faritr’i Babilôna, miaraka amin’ny fanomezana an-tsitrapo aterin’ireo mpiray firenena aminao na mpisorona na sarambabem-bahoaka, mba ho an’ny tranon’Ilay Andriamaniny izay any Jerosalema.
17
Koa himasoanao ny hividy amin’io vola io ny ombilahy sy ondrilahy ary zanakondry mbamin’izay ilaina hatao fanatitra hohanina sy fanatitra araraka; dia haterinao eo ambonin’ny alitara ao an-tranon’Andriamanitrareo any Jerosalema ireny.
18
Izay heverinao sy ny Israelita mpiara-dia aminao hatao amin’ny volafotsy sy volamena sisa dia ataovy araka ny sitrapon’Andriamanitrareo.
19
Ny fanaka nomena anao ho an’ny fanompoam-pivavahana ao an-tranon’Andriamanitrao dia apetraho eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema.
20
Ary izay rehetra mbola hilaina ho an’io trano io ka tsy maintsy hiantsorohanao, dia ny tahirim-bolam-panjakana no hampandoavinao azy.
21
«Izaho, Artakserksesa amperôra, dia manao izao didy izao ho anareo rehetra mpitahiry harem-panjakana any andafy andrefan’ny ony Eofrata; iny i Hezrà mpisorona, izay mpahay lalàna fatra-pahalala ny lalànan’ilay Andriamanitry ny lanitra; na inona na inona ilainy ka takîny aminareo, dia hotanterahina tsy misy tomika izany.
22
Hatolotrareo an’i Hezrà hatramin’ny volafotsy 3 400 kilao sy ny varimbazaha telo alina kilao, ny divay efatra arivo litatra sy ny menaka efatra arivo litatra ary ny sira araka izay tiany.
23
Na inona na inona andidian’ilay Andriamanitry ny lanitra momba izany tranony izany, dia hotanterahina haingana mba tsy hiharan’ny fahatezerany amin’ny fanjakako sy amin’ny tenako ary amin’ny taranako.
24
Ampahafantarinay anareo mpitahiry harem-panjakana koa fa ny mpisorona sy ny levita, ny mpihira sy mpiandry varavarana, ary ny mpanampy sy mpiasa hafa ao amin’io tranon’Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra na haba na sara.
25
«Ary ianao, ry Hezrà, araka ny fahendren’ny lalànan’Andriamanitrao izay eny an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara mba hitsara ny olona rehetra mahalala ny lalànan’Andriamanitrao amin’ny mponina any andafy andrefan’ny ony Eofrata; fa izay tsy mbola mahalala izany lalàna izany kosa dia aoka hampianarinareo.
26
Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalànan’Andriamanitrao sy ny lalànan’ny amperôra, dia aoka izy hotsaraina araka ny rariny ka hovonoina, na horoahina, na hosazîna vola, na hatao am-ponja».
27
«Hankalazaina anie ny TOMPO Andriamanitry ny razanay, hoy i Hezrà. Fa Izy no nanoro hevitra ny amperôra hanatsara endrika ny tranony any Jerosalema;
28
sady teo anatrehan’ny amperôra sy ireo mpanolotsainy ary ny manampahefana rehetra manodidina azy koa no nanehoany fitiavana ahy. Ary nampaherezin’ny fiarovan’ny TOMPO Andriamanitro aho ka nahangona loholona israelita mba hiara-miverina amiko any an-tanindrazana».
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
Recommended Reading
Commentary
Ezra Commentaries
→
Devotional
Ezra Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→