bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ezra 4
Ezra 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 5 →
1
Ren’ny valovotaka, fahavalon’ny Jiosy tao Joda sy tao Benjamîna, fa manorina tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny Jiosy nody avy any an-tsesitany.
2
Dia nanatona an’i Zerobabela sy ny loham-pianakaviana ireo valovotaka ireo ka nanao taminy hoe: –Aoka izahay mba hiara-manorin-trano aminareo. Ilay Andriamanitrareo manko dia hajainay tahaka ny anajanareo Azy sady Izy mihitsy no toloranay sorona hatramin’ny andron’i Esara-Hadôna, mpanjaka asirianina, izay nampiakatra anay ho atỳ.
3
Fa i Zerobabela sy i Jesoa mbamin’ireo namany loham-pianakaviana israelita kosa namaly azy hoe: –Tsy misy ilànay anareo amin’ny fanorenana trano ho an’ilay Andriamanitray; fa izahay ihany no hanorin-trano ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, araka ny didy efa navoakan’i Kirôsa amperôran’i Persia.
4
Tamin’izany ny valovotaka dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sady nandevilevy azy mba tsy hanorina ilay trano.
5
Novidiny vola aza ny mpanolotsain’ny amperôra mba hanohitra ny Jiosy ka hampandamoka ny fikasany. Nanomboka tamin’ny andron’i Kirôsa amperôran’i Persia ka hatramin’ny nanjakàn’i Dariôsa amperôran’i Persia no nanaovana izany teti-dratsy izany.
6
Raha vao nanjaka i Kserksesa, dia nanoratra taratasy ho azy ny fahavalon’ny Jiosy mba hanendrikendrika ny mponina tao Jerosalema sy eran’i Joda.
7
Tamin’ny andro nanjakàn’i Artakserksesa amperôran’i Persia, dia nanoratra taratasy ho azy ry i Bislama sy i Mitredata ary i Tabeela mbamin’ireo namany hafa; ka tarehin-tsoratra aramianina sy fiteny aramianina no nanaovany an’ilay taratasy.
8
I Rehoma governora sy i Simsay mpitantsorany dia nanoratra taratasy anankiray koa ho an’ny amperôra Artakserksesa ny amin’i Jerosalema. Toy izao no fanombohan’izany:
9
«Avy amin’i Rehoma governora sy amin’i Simsay mpitantsoratra ary avy amin’ireo namany hafa mifehy ny valovotaka: dia ny Dinaîta sy Afarsatekita ary Tarpelita, ny Afarsaîta sy Arkevita ary Babilônianina, ny Sosanita sy Dehavita ary Helamita,
10
mbamin’ny firenena hafa nafindran’i Asnapara mpanjaka lehibe sady malaza, ka namponeniny tamin’ireo tanànan’i Samaria na tamin’ny toerana sisa atỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata,...»
11
Izao kosa no kôpian’ilay taratasy nalefany ho an’ny amperôra Artakserksesa: «Voninahitra ho anay mpanomponao atỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata... ny manoratra ity taratasy ity aminao, ry Andriamanjaka.
12
Aoka ho fantatrao fa ny Jiosy, izay niala avy tany aminao mba hiverina hankatỳ aminay, dia efa tonga any Jerosalema ka miroso manorina indray ilay tanàna mpikomy sady ratsy. Efa manangana ny manda ry zareo izao rehefa avy nanamboatra ny fototra.
13
Aoka ho fantatrao, ry Andriamanjaka, fa raha voaorina indray io tanàna io ka tafatsangana ny mandany, dia tsy hety handoa hetra na haba na sara intsony ry zareo; ka dia hahatonga fatiantoka ho an’ny fanjakanao izany.
14
Tsy ho zakanay ny hahita anao afa-baràka, ry Andriamanjaka, satria izahay dia mandray tombontsoa amin’ny fanompoana anao; koa naniraka olona izahay hampahafantatra anao izany.
15
Aoka hozahanao ny boky mirakitra ny tantaran-drazanao; dia ho hitanao sy ho fantatrao fa tanàna nikomy hatrany io tanàna io.
16
Ary ampahafantarinay anao, ry Andriamanjaka, fa raha voaorina indray io tanàna io ka tafatsangana ny mandany, dia tsy hanana faritany atỳ andafy andrefan’ny ony Eofrata intsony ianao».
17
Izao kosa no valin-taratasy nalefan’ny amperôra: «Ho an’i Rehoma governora sy i Simsay mpitantsoratra ary ny namany hafa izay monina any Samaria na amin’ny toerana sisa any andafy andrefan’ny ony Eofrata. «Mamangy sy miarahaba anareo, aho sns...
18
«Ny taratasy izay nalefanareo ho ahy dia efa voavaky tsara teo anatrehako.
19
Ary efa nanome baiko aho hizahana ny boky firaketana; dia hita fa nitroatra nanohitra mpanjaka maro hatrizay ela izay tokoa io tanàna io, ka nisy fikomiana sy fiodinana niseho tao.
20
Efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema, ka nanapaka ny tany rehetra any andafy andrefan’ny ony Eofrata sady nandoavana hetra sy haba ary sara.
21
Koa dia makà fepetra hampitsahatra ireo olona ireo; fa tsy haorina indray io tanàna io, raha tsy efa nahazo teny avy atỳ amiko.
22
Tandremo tsara fandrao manao tsirambina amin’izany ianareo, ka hitombo ny fahavoazana hahafatiantoka ny fanjakana».
23
Vao voavaky teo anatrehan’i Rehoma sy i Simsay ary ny namany kosa ilay taratasin’ny amperôra Artakserksesa, dia niakatra faingana ho any amin’ny Jiosy tany Jerosalema ry zareo ka nampitsahatra azy an-keriny sy an-ditra.
24
Dia nitsahatra ny asa fanorenana ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema; ary naharitra hatramin’ny taona faharoa nanjakàn’i Dariôsa, amperôran’i Persia, izany fiatoana izany.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
Recommended Reading
Commentary
Ezra Commentaries
→
Devotional
Ezra Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→