bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Peter 1
1 Peter 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
1
I Petera, Apostolin’i Jesosy Kristy, no mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia sy Bitinia, dia olom-boafidy
2
araka ny fahalalana mialoha izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, ho amin’ny fankatoavana sy ny famafazana ny ran’i Jesosy Kristy: Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
3
Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray araka ny haben’ny famindrampony ho amin’ny fanantenana velona noho ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,
4
ho amin’ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
5
izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana, ho amin’ny famonjena efa vonona haseho amin’ny fotoana farany.
6
Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fizahan-toetra maro samihafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7
mba ho antom-piderana sy voninahitra ary fankalazana amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy ny finoanareo voazaha toetra, izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza.
8
Na dia tsy hitanareo akory aza Izy dia tianareo; ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza Izy kanefa inoanareo dia iravoravoanareo amin’ny fifaliana tsy hay tononina sady be voninahitra,
9
sady mandray ny anton’ny finoanareo ianareo, dia ny famonjena ny fanahy.
10
Ny momba izany famonjena izany no nodinihin’ny mpaminany sy nokarohiny fatratra, dia ireo naminany ny fahasoavana ho anareo;
11
eny, nokarohiny ny momba izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ny Fanahin’i Kristy tao anatiny raha nambarany mialoha ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
12
Ary naseho tamin’ireo fa tsy ho azy fa ho anareo no nanompoany ny amin’izany zavatra izany, izay voambara aminareo ankehitriny, tamin’ny tenin’ireo nitory ny Filazantsara taminareo tamin’ny Fanahy Masina izay nirahina avy tany an-danitra. Izany zavatra izany dia mahaliana ny anjely tokoa ny hijery azy.
13
Koa amin’izany dia atanjaho ny sainareo ka mahonòna tena ary manàna fanantenana feno ny fahasoavana izay hoentina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy.
14
Tahaka ny zanaka manoa, dia aza mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsy fahalalanareo;
15
fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantena rehetra
16
satria voasoratra hoe: «Ho masina ianareo, satria masina Aho» (Lev 11.44).
17
Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahiniananareo etỳ.
18
Fa fantatrareo fa tsy tamin’ny zavatra mety ho simba, na volafotsy na volamena no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala izay nolovanareo tamin’ny razanareo,
19
fa tamin’ny ra sarobidin’i Kristy, toy ny tamin’ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina,
20
Izy no efa fantatra mialoha, talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao, fa naseho kosa amin’izao andro farany izao noho ny aminareo
21
izay mino an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin’ny maty ka nanome voninahitra Azy, mba hiorenan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’Andriamanitra.
22
Koa satria efa nodiovinareo ny fanahinareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavan-drahalahy tsy mihatsaravelatsihy dia mifankatiava fatratra amin’ny fo madio.
23
Fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sady maharitra.
24
Fa «ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra ka mihintsana ny voniny;
25
fa ny tenin’ny Tompo no maharitra mandrakizay» (Isa 40.6-8). Izany no tenin’ny Filazantsara izay notorina taminareo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5