bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Peter 4
1 Peter 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 5 →
1
Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy dia raiso mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa nitsahatra tamin’ny ota
2
mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.
3
Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny sitrapon’ny Jentilisa tamin’ny nandehananareo tamin’ny fanaranam-po amin’ny ratsy sy ny fanirian-dratsy, ny fimamoana, ny filalaovan-dratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra.
4
Amin’izany dia gaga izy ireo satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany ka teneniny ratsy;
5
nefa hampamoahin’Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty izy.
6
Fa noho izao no nitoriana ny Filazantsara tamin’izay maty aza mba hotsaraina araka ny olona amin’ny nofo izy fa ho velona araka an’Andriamanitra amin’ny fanahy.
7
Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena mba ho afaka hivavaka ianareo.
8
Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa «ny fitiavana no manarona fahotana maro» (Oha 10.12).
9
Mifampiantranoa ka aza mimonomonona.
10
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.
11
Raha misy olona miteny dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra; raha misy olona manompo dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
12
Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo, toy ny hoe misy zava-mahagaga manjo anareo.
13
Fa mainka mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy mba hifalianareo sy hiravoravoanareo koa amin’ny fisehoan’ny voninahiny.
14
Sambatra ianareo raha haratsina noho ny anaran’i Kristy, fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra no mipetraka aminareo!
15
Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra na mpanao ratsy na mpitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa.
16
Fa raha misy mijaly satria Kristiana dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany anarana izany izy.
17
Fa tonga ny andro iantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny tranon’Andriamanitra. Ary raha miantomboka amintsika izany dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy manaiky ny Filazantsaran’Andriamanitra?
18
Ary «raha saika tsy voavonjy ny marina, inona no hahazo ny mpanota?» (Oha 11.31).
19
Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny tenany ho an’Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5