bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Peter 3
1 Peter 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
1
Toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo; koa raha misy aza tsy manaiky ny teny dia ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza,
2
rehefa hitany ny fitondrantenanareo izay madio sy feno fanajana.
3
Ary aoka ny fihaingoanareo tsy ho ny zavatra ivelany, toy ny taovolo manaitra sy ny firavaka volamena na ny fitafiana marevaka,
4
fa ny toetra miafina ao am-po, amin’ny fihaingoana tsy mety ho lo, dia ny fahalemem-panahy sy ny fiadanana, izay sarobidy indrindra eo imason’Andriamanitra.
5
Fa tahaka izany no nihaingoan’ireo vehivavy masina fahiny izay nanantena an’Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;
6
dia tahaka an’i Saraha izay nanaiky an’i Abrahama ka nilaza azy hoe tompoko. Koa ianareo no tonga zanany amin’ny fanaovana ny soa ka tsy hanahy na inona na inona fampitahorana.
7
Toy izany koa ianareo lehilahy, tandrovy tsara ny fiarahanareo amin’ny vavy, amin’ny fanajana azy araka ny maha fanaka malemy kokoa azy, sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana aminareo izy, mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
8
Farany, miraisa saina ianareo rehetra ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.
9
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na fitenenan-dratsy ny fitenenan-dratsy; fa aoka hisaotra kosa satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handovanareo fitahiana.
10
«Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta hahita andro soa dia aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka.
11
Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; aoka izy hitady fihavanana sy hikatsaka azy.
12
Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina ary ny sofiny dia mihaino ny fitarainany; fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy» (Sal 34.12-16).
13
Ary iza no hanisy ratsy anareo raha mazoto amin’izay tsara ianareo?
14
Fa raha toa ka mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo dia sambatra! Aza matahotra tahaka azy ary aza mangorohoro ianareo.
15
Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo,
16
nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana; koa manàna fieritreretana tsara. Amin’izany dia ho menatra izay manaratsy ny fitondrantenanareo tsara ao amin’i Kristy ka manendrikendrika anareo.
17
Fa tsara kokoa ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa, raha izany ny sitrapon’Andriamanitra, noho ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-dratsy.
18
Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra ka novonoina araka ny nofo Izy, fa novelomina araka ny fanahy
19
izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20
dia izay tsy nanaiky fahiny, raha niandry tamin’ny fahari-po Andriamanitra, tamin’ny andron’i Noa ka mbola namboarina ny sambofiara izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ary namonjena azy ny rano.
21
Izany dia tandindon’ny batisa izay mamonjy anareo koa ankehitriny; tsy fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa izany fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,
22
izay eo ankavanan’Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka nampanekena Azy ny anjely, ny fahefana ary ny hery.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5