bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Peter 5
1 Peter 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
1
Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman’ny loholona ary vavolombelon’ny fijalian’i Kristy sady mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
2
Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay andraikitrareo; andraso izy, tsy amin’ny fanerena fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra, tsy amin’ny fitiavana harena maloto fa amin’ny zotom-panahy,
3
tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fianaran’ny ondry.
4
Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
5
Toy izany koa ianareo tanora, maneke ny loholona. Eny, samia mitafy fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa «Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena» (Oha 3.34).
6
Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro;
7
ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo (Sal 55.22).
8
Mahonòna tena, miambena. Fa ny devoly fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
9
tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.
10
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
11
Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amena!
12
Manoratra teny fohifohy ho anareo aho ka hampitondraina an’i Silasy izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mampahery anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’Andriamanitra. Tomoera tsara amin’izany ianareo.
13
Izay any Babilona, voafidy sahala aminareo, dia manao veloma anareo, ary i Marka zanako koa.
14
Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy anie ny fiadanana!
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
All chapters:
1
2
3
4
5