bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
1 Peter 2
1 Peter 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
1
Koa esory ny lolompo rehetra, ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana ary ny fanendrikendrehana rehetra,
2
fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny ronono tsy mitampoka, dia ny Teny, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena,
3
raha efa nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo.
4
Izy no hatoninareo toy ny vato velona, nolavin’ny olona, nefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra.
5
Ary ianareo koa dia atsangana tahaka ny vato velona ho trano ara-panahy, ho fisoronana masina, mba hanolorana fanatitra ara-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
6
Fa misy teny ao amin’ny Soratra Masina milaza hoe: «Indro, mametraka vato fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady sarobidy, ary izay mino Azy dia tsy hitsanga-menatra» (Isa 28.16).
7
Koa ny voninahitra dia ho anareo izay mino. Fa amin’izay tsy mino kosa, «ny vato izay nolavin’ny mpanao trano no tonga fehizoro» (Sal 118.22),
8
«ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka» (Isa 8.14). Ary satria tsy nanaiky ireo dia tafintohina tamin’ny teny izy sady izany koa no nanendrena azy.
9
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;
10
dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos 2.25).
11
Ry malala, mananatra anareo aho, satria vahiny sy mpivahiny ianareo, fadio ny filan’ny nofo, fa miady amin’ny fanahy ireny.
12
Aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny Jentilisa, mba ho eo amin’izay anendrikendrehany anareo indrindra ho mpanao ratsy no hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiany.
13
Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin’ny olona, na ny mpanjaka satria ambony izy,
14
na ny mpanapaka satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara.
15
Fa toy izany no sitrapon’Andriamanitra ka hampanginanareo amin’ny fanaovan-tsoa ny tsy fahalalan’ny olona adala;
16
fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon’Andriamanitra.
17
Manajà ny olona rehetra, tiava ny rahalahy, matahora an’Andriamanitra, manajà ny mpanjaka.
18
Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.
19
Fa fahasoavana ny fitondrana alahelo sy fandeferana amin’ny tsy rariny noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra.
20
Fa inona no laza raha toa kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka miaritra an’izany? Fa raha toa ka manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy miaritra dia fahasoavana eo anatrehan’Andriamanitra izany.
21
Fa ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo mba hanarahanareo ny diany;
22
«Izay tsy nanota akory sady tsy nisy fitaka teo am-bavany» (Isa 53.9);
23
raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva; raha nijaly dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny raharahany ho amin’ny Mpitsara marina;
24
ary Izy no nitondra ny fahotantsika (Isa 53.12) tao amin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ary «ny dian-kapoka taminy no nanasitranana anareo» (Isa 53.5).
25
Fa efa nania toy ny ondry ianareo (Isa 53.6) nefa ankehitriny dia efa niverina ho amin’ny Mpiandry sy Mpitandrina ny fanahinareo.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5