bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ephesians 2
Ephesians 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 3 →
1
Ianareo dia maty noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo
2
izay niainanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny tsy mpankato.
3
Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia voatendry ho amin’ny fahatezerana toy ny hafa koa isika.
4
Andriamanitra anefa manankarena famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika,
5
koa fony mbola maty noho ny fahadisoana isika dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavana no namonjena anareo.
6
Niara-natsangany isika ary niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy
7
mba hasehony amin’ny andro ho avy ny harenan’ny fahasoavany tsy hita lany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy.
8
Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra;
9
tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
10
Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.
11
Koa tsarovy fa fahiny ianareo dia Jentilisa araka ny nofo ka nolazain’ny voaforan-tanana teo amin’ny nofo hoe tsy voafora.
12
Eny, tsy nanana an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany, fa olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Israely ary vahiny tamin’ireo faneken’ny teny fikasana, tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.
13
Ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia tonga akaiky noho ny ran’i Kristy.
14
Izy no fihavanantsika izay nahatonga antsika roa tonta ho iray ka nandrava ny efitry ny fisarahana: Tao amin’ny nofony no nandravany ny fifandrafiana.
15
Nofoanany ny lalàna nisy didy natao hotandremana mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray ka nanaovany fihavanana,
16
sady hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazofijaliana izay namonoany ny fifandrafiana tao aminy.
17
Tonga Izy nitory teny soa mahafaly nilaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana koa tamin’izay akaiky,
18
satria Izy no ahafahantsika roa tonta manatona ny Ray amin’ny Fanahy iray.
19
Koa tsy vahiny sy mpivahiny intsony ianareo fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra,
20
naorina teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany; ary Kristy Jesosy no vato fehizoro.
21
Ao Aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo ho tempoly masina ao amin’ny Tompo;
22
ao Aminy koa ianareo no miaraka aorina ho fonenan’Andriamanitra ao amin’ny Fanahy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6