bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ephesians 4
Ephesians 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 5 →
1
Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka anareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo
2
amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana,
3
mazotoa mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.
4
Iray ny tena ary iray ny Fanahy, dia araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray;
5
iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
6
iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra.
7
Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny refin’ny fanomezan’i Kristy avy isika rehetra.
8
Koa izany no ilazany hoe: «Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy dia nitondra olona maro ho babo ka nanome fanomezana ho an’ny olona» (Sal 68.18).
9
Ary ny amin’ny hoe: Niakatra Izy, inona moa izany, afa-tsy ny nidinany ho any ambanin’ny tany koa?
10
Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra mba hamenoany ny zavatra rehetra.
11
Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
12
mba ho fanomanana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy,
13
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra ka ho lehilahy lehibe, araka ny refin’ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy;
14
mba tsy ho zaza intsony isika ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samihafa rehetra amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fitaka itondrany ho amin’ny fahadisoana;
15
fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy;
16
Izy no irindran’ny tena manontolo sy iraisany tsara, noho ny fifanohanan’ny isan-tonony, araka ny asan’izay rehetra momba azy amin’izay anjara asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ny fitiavana.
17
Koa izao no lazaiko sady ambarako marina ao amin’ny Tompo: Ny mba tsy handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny Jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy;
18
fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsy fahalalana izay ao anatiny, noho ny hamafin’ny fony,
19
dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijangajangana, hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fitiavam-bola.
20
Fa ianareo kosa dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy,
21
raha Izy tokoa no renareo ka tao Aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy,
22
mba hialanareo ny toetra maha olona taloha anareo araka ny fitondrantenanareo fahiny izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka;
23
fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo,
24
ary mba hotafinareo ny toetra maha olom-baovao izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
25
Noho izany dia esory ny lainga ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra satria samy momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.
26
Tezera fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
27
Aza manome toerana ho an’ny devoly.
28
Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony, fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tanany, mba hisy homeny izay tsy manana.
29
Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino, fahasoavana.
30
Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ny andro fanavotana.
31
Esory aminareo ny lolompo rehetra, ny fahavinirana, ny fahatezerana, ny fitabatabana, ny fitenenan-dratsy ary ny faharatsiana rehetra;
32
ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6