bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ephesians 3
Ephesians 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 4 →
1
Noho izany, izaho Paoly, mpifatotra noho ny amin’i Kristy Jesosy, noho ny aminareo Jentilisa,
2
raha mba renareo mantsy ny fitantanan’Andriamanitra ny fahasoavany izay nomeny ahy noho ny aminareo,
3
fa fanambaràna no nampahafantarana ahy ny zavamiafina, araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo.
4
Araka izany, raha mamaky ianareo dia ho takatrareo ny fahafantarako ny zava-niafina momba an’i Kristy,
5
izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa. Izany dia tahaka ny fanambaràn’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
6
dia ny hahatongavan’ny Jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny Filazantsara
7
izay nanaovana ahy ho mpanompo, araka ny fanomezan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy araka ny fiasan’ny heriny.
8
Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, mba hitory ny haren’i Kristy tsy hita lany amin’ny Jentilisa
9
sy hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany ny fitondran’Andriamanitra ny zavamiafina, dia ilay voafina hatramin’ny nahariana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra izay nanao ny zavatra rehetra;
10
mba hampahafantarina amin’ny alalan’ny fiangonana an’ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’izao ankehitriny izao ny lafiny maro samihafa amin’ny fahendren’Andriamanitra,
11
araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.
12
Ao Aminy no ananantsika fahasahiana hanatona Azy amin’ny fahatokiana, noho ny finoana Azy.
13
Noho izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka ianareo amin’ny fahoriako noho ny aminareo, fa voninahitrareo izany.
14
Izany no antony andohalehako eo anatrehan’ny Ray
15
izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
16
mba homeny anareo, araka ny harenan’ny voninahiny, ny tanjaka sy ny hery avy ao anaty amin’ny alalan’ny Fanahiny;
17
ary koa mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana dia hamahatra sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo
18
ka hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra hahafantatra tsara izay sakany, lavany, haavony ary halaliny,
19
ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra.
20
Ary ho an’Ilay mahavita mihoatra noho ny zavatra rehetra; eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
21
ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny taranaka rehetra mandrakizay mandrakizay. Amena.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6