bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ephesians 5
Ephesians 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 6 →
1
Koa aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo, tahaka ny zanaka malala;
2
ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo ka nanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra ho fanatitra sy ho fanavotana ary ho hanitra ankasitrahana.
3
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fitiavam-bola, dia aza avela hotononina eo aminareo akory, fa tsy mahamendrika ny olona masina,
4
na fahavetavetana, na resaka adaladala, na teniteny foana. Samy tsy tokony hatao, fa aleo teny fisaorana.
5
Aoka ho fantatrareo mihitsy fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona tia vola, fa fanompoan-tsampy izany.
6
Aza mety fitahin’olona amin’ny teny foana ianareo fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny olona tsy mankatò.
7
Aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
8
Fa maizina ianareo fahiny, nefa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
9
satria ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsaram-panahy rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana.
10
Fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo,
11
ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany.
12
Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza.
13
Fa ny zavatra rehetra, rehefa ampahafantarina, dia asehon’ny mazava;
14
fa na inona na inona aseho dia mazava. Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy.
15
Koa tandremo tsara izay fitondrantenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala fa tahaka ny hendry.
16
Araraoty ny fotoana azo anaovan-tsoa fa ratsy izao andro izao.
17
Ary noho izany dia aza miadaladala fa fantaro izay sitrapon’ny Tompo.
18
Aza ho mamon-divay ianareo fa misy fanaranam-po amin’ny ratsy amin’izany. Aoka ianareo ho feno ny Fanahy;
19
mifampiresaha amin’ny salamo sy ny hira ary ny tononkiram-panahy, dia mihirà sy mikaloa ao am-ponareo ho an’ny Tompo.
20
Misaora mandrakariva an’Andriamanitra Ray noho ny zavatra rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.
21
Mifaneke amin’ny fahatahorana an’i Kristy ianareo;
22
ny vehivavy hanaiky ny vadiny, tahaka ny anekena ny Tompo
23
satria ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy koa izay Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
24
Tahaka ny aneken’ny fiangonana an’i Kristy koa no haneken’ny vavy ny lahy amin’ny zavatra rehetra.
25
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy
26
mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana ao amin’ny teny;
27
mba hasehony ho an’ny tenany izany ho fiangonana malaza, tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy.
28
Dia tahaka izany koa, ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
29
Fa tsy mbola nisy mihitsy olona tsy tia ny tenany, fa mamelona sy mitaiza azy izy tahaka izay ataon’i Kristy amin’ny fiangonana,
30
satria momba ny tenany isika.
31
«Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24).
32
Zavamiafina lehibe izany; milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana mantsy aho.
33
Na izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6