bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ephesians 6
Ephesians 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
1
Anaka, ankatoavy ao amin’ny Tompo ny ray aman-dreninareo fa rariny izany.
2
«Manajà ny ray sy ny reninao» fa izany no didy voalohany misy teny fikasana,
3
«mba hahita soa ianao sady ho maro andro ambonin’ny tany» (Deo 5.16).
4
Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny fanabeazana sy ny fananaran’ny Tompo izy.
5
Ianareo mpanompo, ankatoavy amin’ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ny fahatsoran’ny fonareo, ny tomponareo araka ny nofo, tahaka ny fanekena an’i Kristy ihany,
6
tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa tahaka ny mpanompon’i Kristy manao izay sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo,
7
manompo an-tsitrapo toy ny amin’ny Tompo, fa tsy amin’olona,
8
satria fantatrareo fa izay soa ataon’ny olona tsirairay no horaisiny amin’ny Tompo, na andevo izy na olona afaka.
9
Ianareo tompo, manaova toy izany koa amin’ny mpanomponareo. Atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa any an-danitra ny Tompony sady Tomponareo koa; ary tsy mizaha tavan’olona Izy.
10
Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny tanjaky ny heriny.
11
Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.
12
Fa tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra isika fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fahefana ary amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.
13
Noho izany, raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa izany dia hahafahatra ianareo.
14
Mifahara ary ka misikìna fahamarinana. Mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
15
kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny Filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo.
16
Amin’ny toe-javatra rehetra dia tano ny finoana ho ampinga fa izany no hahazoanareo mamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.
17
Raiso ny famonjena ho fiarovan-doha ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy.
18
Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, koa miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana ho an’ny olona masina rehetra,
19
ary ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava ka hiteny amin’ny fahasahiana, hampahafantatra ny zavamiafina momba ny Filazantsara.
20
Iraka migadra noho izany aho, mba hiteny izany amin’ny fahasahiana, araka izay tokony hoteneniko.
21
Mba hahafantaranareo izay momba ahy sy izay ataoko, dia i Tikiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra.
22
Izy mihitsy no nirahiko hilaza izany zavatra izany aminareo mba ho fantatrareo ny momba anay, ary mba hampahereziny ny fonareo.
23
Fiadanana anie ho an’ny rahalahy ary fitiavana mbamin’ny finoana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
24
Ny fahasoavana anie ho amin’izay rehetra tia an’i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona. Amena.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
All chapters:
1
2
3
4
5
6