bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Judges 15
Judges 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 16 →
1
Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny taom-pijinjana ny varimbazaha, dia nitondra zanak’osy i Samsona hoentiny mamangy ny vadiny ka hoy izy: Hiditra ao amin’ny vadiko ao an’efitrano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
2
fa hoy izy: Noheveriko ho halanao izy ka nomeko ho an’ny namanao. Moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Miangavy anao aho, aoka izy no halainao ho solony!
3
Hoy i Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
4
Dia lasa nandeha i Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato; dia naka zavatra hatao fanilo izy ary nampifanendreny tsiroaroa avy ny rambon’ny amboahaolo ka nofehezany fanilo iray teo anelanelan’ny rambony.
5
Ary rehefa narehiny ny fanilo dia nalefany ho any amin’ny varin’ny Filistina ireny ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary hatramin’ny voly oliva.
6
Dia hoy ny Filistina: Iza no nanao izao? Ary nisy nilaza hoe: I Samsona, vinanton’ilay Timnita satria nomen’ny rafozany ho an’ny sakaizany ny vadiny. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dRavehivavy sy ny rainy tamin’ny afo.
7
Hoy i Samsona taminy: Satria izao no fihetsikareo dia hamaly anareo tokoa aho, ka rehefa vita izany vao hitsahatra aho.
8
Dia namely azy izy ka nanapotika azy tanteraka ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak’ilay harambato mitresaka any Etama.
9
Ary niakatra ny Filistina dia nitoby tany Joda ka niely hatrany Lehy.
10
Dia hoy ny lehilahin’i Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Hoy izy: Hamatotra an’i Samsona no niakaranay mba hanao aminy tahaka izay nataony taminay.
11
Dia nandeha ny lehilahy telo arivo tamin’i Joda nankany amin’ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka niteny tamin’i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka amintsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: Araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
12
Hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tanan’ny Filistina ianao. Dia hoy i Samsona taminy: Mianiàna amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.
13
Dia niteny taminy izy ireo hoe: Tsia! Fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tanany; tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ny mahazaka roa vaovao ireo ka nitondra azy niala tamin’ilay harambato.
14
Rehefa tonga tany Lehy izy dia nanakora azy ny Filistina. Dia tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO ka tonga tahaka ny kofehy rongony izay nodorana tamin’ny afo ny mahazaka teny amin’ny sandriny ary afaka tamin’ny tanany ny fatorana.
15
Ary nahita valanoranom-boriky tsy mbola maina izy dia nanainga ny tanany ka naka azy, ary iny no namonoany arivo lahy.
16
Dia hoy i Samsona: Tamin’ny valanoranom-boriky, boriky iray amin’ny boriky maro; tamin’ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
17
Rehefa nitsahatra niteny izy dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tanany. Ary ny anaran’izany tany izany dia natao hoe Ramata-Lehy.
18
Ary nangetaheta be izy dia nitaraina tamin’NY TOMPO hoe: Ianao no nanome izao famonjena lehibe izao tamin’ny tanan’ny mpanomponao. Ankehitriny, moa ho fatin-ketaheta va aho ka hianjera ho eo an-tanan’ny tsy mifora?
19
Dia nampitresahin’Andriamanitra ilay lavaka ao amin’ny vato tany Lehy ka niboiboika avy tao ny rano. Rehefa nisotro izy dia nody ny ainy ka velombelona indray izy. Izany no nanaovana ny anarany hoe Eny-Hakore, izay any Lehy mandraka androany.
20
Dia nitsara ny Israely roapolo taona tamin’ny andron’ny Filistina izy.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21