bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Judges 3
Judges 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 4 →
1
Ireto avy ireo firenena navelan’NY TOMPO hijanona, mba hizahany toetra ny Israely, dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana;
2
izany dia mba ho fampahafantarana fotsiny ny Zanak’Israely amin’ny alalan’ny fahaiza-miady, indrindra fa ireo izay tsy mbola nahita izany teo aloha;
3
ireo firenena ireo dia ny andriandahy Filistina dimy, ny Kananita rehetra, ny Sidoniana ary ny Hivita izay nonina tany amin’ny tendrombohitra any Libanona, hatrany akaikin’i Baala-Hermona ka hatrany amin’ny lalana mankany Hamata.
4
Ireo dia noentina hizaha toetra ny Israely mba hahalalana na hihaino ny didin’NY TOMPO izay nasainy nandidian’i Mosesy ny razany, izy na tsia.
5
Ary ny Zanak’Israely dia nonina teo amin’ny Kananita, ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita.
6
Ary naka ny zanakavavin’ireny ho vadiny izy sady nanome ny zanany vavy ho vadin’ny zanakalahin’ireny ka nanompo ireo andriamaniny.
7
Nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ny Zanak’Israely ka nanadino NY TOMPO Andriamaniny ary nanompo ireo Baala sy Aseraha.
8
Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka nivarotra azy ho eo an-tanan’i Kosana-Risataima, mpanjakan’i Mezopotamia, Izy; dia nanompo an’i Kosana-Risataima nandritra ny valo taona ny Zanak’Israely.
9
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely, ary NY TOMPO nanangana mpamonjy ho an’ny Zanak’Israely, izay nanafaka azy, dia i Otniela, zanakalahin’i Kenaza, zandrin’i Kaleba.
10
Ary tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO dia tonga mpitsara teo amin’ny Israely izy ka nivoaka hiady. Ary i Kosana-Risataima, mpanjakan’i Arama, dia natolotry NY TOMPO teo an-tanany ka nanampatra ny heriny tamin’i Kosana-Risataima izy.
11
Dia nandry efapolo taona ny tany. Ary maty i Otniela, zanak’i Kenaza.
12
Fa mbola nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ihany ny Zanak’Israely; ary NY TOMPO nampahery an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, hiady amin’ny Israely noho izy ireo nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO.
13
Dia nangoniny ho eo aminy ny taranak’i Amona sy i Amaleka ary nandeha izy ka namely ny Israely dia nahazo ny Tanàna be palma.
14
Dia nanompo an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, nandritra ny valo amby folo taona ny Zanak’Israely.
15
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely ka nanangana mpamonjy ho azy NY TOMPO, dia i Ehoda, zanak’i Gera, avy amin’ny taranak’i Benjamina, lehilahy kavia. Ary ny Zanak’Israely dia nampitondra azy fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba.
16
Ary nanao sabatra roa lela i Ehoda, hakiho iray ny halavany, izay nataony tao amin’ny fehikibony ambanin’ny akanjo, teo amin’ny andilany havanana.
17
Dia nitondra ilay fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, izy; ary i Eglona dia lehilahy natavy be.
18
Rehefa vitany ny fanolorana ny fanomezana dia nasainy nandeha ireo olona nitondra izany.
19
Fa izy kosa, rehefa tonga teo amin’ireo sampy vato tany Gilgala, dia niverina ka niteny hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy ny mpanjaka: Mangìna ianareo! Dia lasa nivoaka ireo rehetra nijoro teo akaikiny.
20
Ary nanatona an’i Eglona i Ehoda, raha nipetraka irery tao amin’ny efitrano ambony mangatsiatsiaka voatokana ho azy irery izy. Dia hoy i Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianana i Eglona.
21
Nanainga ny tanany havia i Ehoda ary nandray ny sabatra teny amin’ny andilany havanana dia natsatony tamin’ny kibon’i Eglona
22
ka difotra mbamin’ny zarany ary voasaron’ny tavin’i Eglona ny lelan-tsabatra ary tsy notsoahiny tamin’ny kibony; ary niboroaka tany amin’ny fitombenany izany.
23
Dia nivoaka avy teo amin’ny lavarangana i Ehoda ka nandrindrina ireo varavaran’ilay efitrano ambony sady nohidiny.
24
Rehefa tafavoaka izy dia tonga ireo mpanompon’i Eglona; ary hitan’ireo fa indro, voahidy ireo varavaran’ny efitrano ambony ka hoy ireo: Angamba mbola mivoaka ao amin’ny trano mangatsiatsiaka izy.
25
Dia niandry izy ireo ka farany very hevitra; koa satria tsy namoha ihany ireo varavaran’ilay trano ambony i Eglona, dia nalain’ireo ny fanalahidy ka novohany, ary indro, efa maty niampatra tamin’ny tany ny tompony.
26
Ary raha mbola nitaredretra izy ireo dia lasa nandositra i Ehoda ka efa nihoatra an’ireo sampy vato, dia nandositra ho any Seìrata.
27
Raha vao tonga tany izy dia nitsoka anjomara tany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ny tany be havoana ny Zanak’Israely ka izy no nitarika azy.
28
Hoy izy taminy: Manaraha ahy fa efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona ka azony ny fitàna any Jordana mankany Moaba ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
29
Dia namono ny Moabita tamin’izany andro izany izy, tokony ho lehilahy iray alina izay samy olona vaventy sady mahery avokoa; tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
30
Naetrin’ny Israely ny Moabita tamin’izany andro izany. Dia nandry ny tany nandritra ny valopolo taona.
31
Ary nanarakaraka azy i Samgara, zanak’i Anata, izay namely Filistina eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby; izy koa dia nanafaka ny Israely.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21