bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Judges 5
Judges 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 6 →
1
Tamin’izany andro izany dia nihira i Debora sy i Baraka, zanak’i Abinoama hoe:
2
Noho ny fanokanan-tena tanteraka teo amin’ny Israely sy ny fanoloran-tena an-tsitrapo nataon’ny vahoaka dia miderà NY TOMPO!
3
Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka! Atongilano ny sofinareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an’NY TOMPO; hihira ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, aho.
4
TOMPO ô, fony Ianao nivoaka avy tany Seìra ary nandeha avy tany amin’ny tany Edoma dia nihorohoro ny tany ary ny lanitra koa nitete; eny, ny rahona matevina dia nitete rano.
5
Ny tendrombohitra dia nikorian-drano teo anatrehan’NY TOMPO. Eny, irỳ Sinay irỳ, teo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
6
Tamin’ny andron’i Samgara, zanak’i Anata sy tamin’ny andron’i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan’ny mpandeha.
7
Tsy nisy mpanapaka intsony teo amin’ny Israely; eny, nitsahatra izany, mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Israely.
8
Nifidy andriamanitra vaovao ny olona ka tamin’izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nahitana ampinga na lefona na dia iray akory aza va teo amin’ny olona efatra alina tamin’ny Israely?
9
Ny foko dia mankasitraka ireo mpitari-tafika eo amin’ny Israely izay nanolo-tena an-tsitrapo teo amin’ny vahoaka. Miderà NY TOMPO ianareo!
10
Ianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin’ny karipetra ary ianareo izay mandeha amin’ny lalambe koa, samia milaza!
11
Ny feon’ireo mpantsaka rano dia eny amin’ny fampisotroan-drano; any no ankalazana ireo asa marina nataon’NY TOMPO, dia ireo asam-pahamarinana nataony tamin’ny tanin’ny Israely. Tamin’izany dia nidina ho any am-bavahady ny olon’NY TOMPO.
12
Mifohaza, mifohaza, ry Debora! Mifohaza, mifohaza ka mihirà! Mitsangàna, ry Baraka! Ento ny babonao, ry zanakalahin’i Abinoama!
13
Tamin’izany dia nidina izay sisa tavela nankany amin’ireo mahery fo; ny vahoakan’NY TOMPO dia nidina homba ahy koa niaraka tamin’ireo mpiady mahery.
14
Ny avy amin’i Efraima dia any amin’i Amaleka ny fotony. Ao aoriananao, dia i Benjamina no nomba ireo olonao. Avy tany Makira no nidinan’ireo mpitari-tafika ary avy tamin’i Zebolona ireo mitana ny tehin’ny mpanoratra.
15
Ireo manamboninahitr’Isakara dia niaraka tamin’i Debora. I Baraka dia sahala amin’Isakara, nanezaka an-tongotra nanaraka azy tany an-dohasaha. Tsy nisy farany ny adihevitra teo amin’ireo sakeli-dranon’i Robena!
16
Nahoana ianao no nitoetra teny anelanelan’ny vala ka nihaino fotsiny ny feon-tsodina teny amin’ny ondry? Tsy nisy farany ny adi-hevitra teny amin’ireo sakeli-dranon’i Robena!
17
I Gileada dia nijanona tany andafin’i Jordana. Ary nahoana i Dana no nitoetra teny amin’ny sambo? I Asera dia nipetraka tany amoron-dranomasina, teny amin’ny fitodian-tsambo no nonenany.
18
I Zebolona dia firenena nanao vy very ny ainy hatramin’ny fahafatesana, toy izany koa i Naftaly, teny amin’ny havoana tamin’ny tany.
19
Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady ireo mpanjakan’i Kanana, tany Tanàka, teo anilan’ny ranon’i Megido nefa tsy nisy volafotsy azony ho babo.
20
Avy teny amin’ny lanitra no niady ny kintana. Avy teny amin’ny lalany no niadiany tamin’i Sisera.
21
Ny ony Kisona no nipaoka ireo mpanjaka, ilay ony ela, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko!
22
Tamin’izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny firimorimony, dia ny firimorimon’ny maheriny.
23
Ozòny i Meroza, hoy ilay Anjelin’NY TOMPO, ozòny tanteraka ny mponina ao! Satria tsy mba tonga nanampy NY TOMPO izy, eny, tsy nanampy NY TOMPO niaraka tamin’ireo mpiady mahery.
24
Hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie i Jaela, vadin’i Hebera kenita! Eny, hotahìna amin’ny samy vehivavy mitoetra an-day anie izy!
25
Rano no nangatahin-dRalehilahy dia ronono no nomeny azy; teo an-dovian’olona ambony no nitondrany ronono mandry.
26
Nandray ny tsatòkan-day ny tanany, ny tanany havanana no nandray ny tantanan’ny mpiasa, dia namely an’i Sisera tamin’ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; nahapotika sy nahaboroaka ny fihirifany izy.
27
Teo an-tongo-dRavehivavy izy no nitolefika, lavo, niampatra; eny, teo an-tongony izy no nitolefika, lavo; teo amin’izay nampitolefika azy no niamparan’ny fatiny.
28
Teo am-baravarankely no nitsirihan’ny renin’i Sisera ka niantsoantsoany mafy; eny, niantso teo amin’ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesy fitondrany miady vao tonga? Nahoana no mitaredratra ny kodiaran’ny kalesiny?
29
Izay hendry indrindra tamin’ireo vehivavy manankaja teo aminy, eny, izy tenany aza, dia niteny hoe:
30
Efa nahita babo izao izy ireo e! Efa mizara babo izao izy ireo e! Dia zazavavy iray, zazavavy roa, ho an’ny mpiady iray, lamba azo babo samihafa volo ho an’i Sisera, lamba azo babo, lamba roa samihafa soratra, lamba azo babo hatao eo am-bozoko.
31
Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, ry TOMPO ô! Fa izay tia Azy kosa, aoka ho tahaka ny masoandro miposaka amin’ny heriny. Dia nandry ny tany nandritra efapolo taona.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21