bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Judges 4
Judges 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 5 →
1
Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO indray ny Zanak’Israely rehefa maty i Ehoda.
2
Koa NY TOMPO dia nivarotra azy ho eo an-tanan’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, izay nanjaka tany Hazora. Ny komandin’ny miaramilany dia i Sisera izay nonina tany Haroseta-Goima.
3
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely satria nanana kalesy vy fitondra miady sivinjato i Jabina; nampahory fatratra ny Zanak’Israely nandritra ny roapolo taona izy.
4
I Debora mpaminanivavy, vadin’i Lapidota, no mpitsara teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany.
5
Ary nipetraka teo ambanin’ny hazo palman’i Debora izy, teo anelanelan’i Rama sy Betela, tany amin’ny tany be havoana any Efraima; niakatra ho any aminy ny Zanak’Israely rehefa nisy raharaha hotsaraina.
6
Ary i Debora dia nampiantso an’i Baraka, zanak’i Abinoama, avy any Kadesy-Naftaly, ka niteny taminy hoe: Tsy efa nandidy anao va NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely hoe: Mandehana ka mankanesa any amin’ny tendrombohitra Tabara ary mitondrà iray alin-dahy avy amin’ny taranak’i Naftaly sy i Zebolona hiaraka aminao?
7
Hotarihiko ho eo aminao, eo amoron’ny ony Kisona, i Sisera, komandin’ny miaramilan’i Jabina mbamin’ny kalesy fitondrany miady sy ny vahoakany marobe; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
8
Ary hoy i Baraka tamin’i Debora: Raha handeha hiaraka amiko ianao dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao dia tsy handeha aho.
9
Hoy kosa izy: Handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan’NY TOMPO an’i Sisera. Dia niainga i Debora ka nandeha niaraka tamin’i Baraka hankany Kadesy.
10
Ary nantsoin’i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary niara-niakatra taminy i Debora.
11
Ary i Hebera kenita dia efa nisaraka tamin’ny Kenita izay avy amin’ny taranak’i Hobaba, rafozan’i Mosesy; tonga hatrany akaikin’ny hazo terebinta ao Zananima izay eo anilan’i Kadesy, izy ka namelatra ny tranolainy tao.
12
Ary nisy nilaza tamin’i Sisera fa i Baraka, zanak’i Abinoama, dia niakatra any amin’ny tendrombohitra Tabara.
13
Dia nantsoin’i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy fitondra miady sivinjato sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Haroseta-Goima, hankany amin’ny ony Kisona.
14
Ary hoy i Debora tamin’i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran’NY TOMPO an’i Sisera ho eo an-tananao. Tsy mandeha eo anoloanao va NY TOMPO? Dia nidina avy tany amin’ny tendrombohitra Tabara i Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy.
15
Dia nampifanaritahin’NY TOMPO tamin’ny lelan-tsabatra teo anoloan’i Baraka i Sisera sy ny kalesy fitondra miady rehetra ary ny miaramila rehetra. Ary nidina niala tamin’ny kalesy i Sisera ka nandositra nandeha an-tongotra.
16
Ary i Baraka dia nanenjika ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta-Goima; dia lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
17
Ary i Sisera dia nandositra an-tongotra ho any amin’ny tranolain’i Jaela, vadin’i Hebera kenita; nihavana mantsy i Jabina, mpanjakan’i Hazora, sy ny mpianakavin’i Hebera kenita.
18
Dia nivoaka hitsena an’i Sisera i Jaela ka niteny taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra! Ary rehefa niakatra ho ao aminy tao an-day izy dia norakofany lamba firakotra.
19
Ary hoy i Sisera taminy: Miangavy anao aho, mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; dia norakofany indray izy.
20
Hoy indray izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran’ny tranolay ka raha toa ka misy avy ary manontany anao hoe: Misy olona va ato? Dia ataovy hoe: Tsia.
21
Dia naka tsatòkan-day i Jaela, vadin’i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tanany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin’ny fihirifany ny tsatòkan-day ka nihatra tamin’ny tany; fa renoky ny torimaso noho ny hasasarana i Sisera dia maty.
22
Ary indro, avy i Baraka nanenjika an’i Sisera, dia nivoaka hitsena azy i Jaela ka niteny taminy hoe: Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, niampatra teo ny fatin’i Sisera, ary teo amin’ny fihirifany ny tsatòkan-day.
23
Naetrin’Andriamanitra teo anoloan’ny Zanak’Israely i Jabina, mpanjakan’i Kanana, tamin’izany andro izany.
24
Ary nampitomboin’ny Zanak’Israely hatrany hatrany ny famoretany an’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, mandra-pandringany azy.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21